Tangena (fampinomana)

Ny tangena dia poizina vita amin' ny rano sy potiky ny voan' ilay zavamaniry atao hoe tangena nokikisana, izay nampiasaina tamin' ny andro fahiny, indrindra tao amin' ny Fanjakana Merina tao afovoan-tanin' i Madagasikara, mba hitsarana ny olona voampanga ho nanao heloka bevava (indrindra ny famosaviana), anisan' izany koa ny fanarahana ny fivavahana kristiana.

Voan-tangena
Sary tamin' ny taonjato faha-19 maneho ny fitsarana amin’ ny alalan’ ny tangena, natao ao anaty ala (mandry eo an-tongotry ny andian’olona eo ambanin' ny hazo lehibe eo ankavanana ny voampanga)

Otazana ny voan' ny hazo tangena, izay maniry any amin' ny ala amoron-tsiraka (ala honko) any avaratra ka hatrany atsimo amin’ i Madagasikara, indrindra any amin' ny morontsiraka atsinanana. Tsy azo ampiasaina ny voa manta fa ny ny voa efa masaka misy tsiraka, izay nianjera amin’ ny tany ihany no mpiasaina. Voan-tangena roa nokikisana no atao afangaro amin’ ny rano. Niovaova be ihany anefa ny fatra nomena, niovaova toraka izany koa koa ny herin’ ny poizina ao aminy arakaraka ny fomba fitehirizana azy. Rehefa voakiky ny voan-tangena dia azo atao ny fampisotroana azy. Mandritra ny lanonana antsoina hoe "fampinomana" no ampisotroana tangena ny olona voampanga na mifampiampanga.

Tamin' ny andron-dRanavalona I dia nampiasaina matetika loatra amin' ny fitsarana ny tangena ka voatery noraran-dRadama II mpandimby azy. Noho izany dia akoho no nampisotroina tangena hisolo sy ny voampanga (sy ny mpiampanga): izany no nantsoina hoe "vono-sotry".

Jereo koa hanova

Tahirin-kevitra hanova

  • Callet, François (1972) [1908]. Tantara ny andriana eto Madagasikara (Histoire des rois). Antananarivo: Imprimerie catholique.
  • Chapus, G.S.; Mondain, G. (1953). Un homme d'etat malgache: Rainilaiarivony. Paris: Editions Diloutremer.
  • Cousins, William Edward. Madagascar of to-day: A sketch of the island, with chapters on its past. The Religious Tract Society, 1895.
  • De Maleissye, J., 1991. In: Bourin, F. (Ed.), Histoire du poison. Paris.
  • Kent, Raymond (1970). Early Kingdoms in Madagascar: 1500–1700. London: Holt, Rinehart and Winston.
  • Oliver, Samuel (1886). Madagascar: An Historical and Descriptive Account of the Island and its Former Dependencies, Volume 1. New York: Macmillan.
  • Oliver, Samuel (1886). Madagascar: An historical and descriptive account of the island and its former dependencies. Volume 2. London: Macmillan. p. 2.
  • Randriamamonjy, Frédéric. Tantaran'i Madagasikara Isam-Paritra.