Tanàna Tranain' i Jerosalema

Ny Tanàna Tranain' i Jerosalema dia fitambarana faribohitra efatra voahodidin' ny Manda fiarovan' i Jerosalema manontolo. Tsy mihoatra ny 0,86 km2 (86 ha) ny velarany manontolo. Amin' ny teny arabo izy dia atao hoe المدينة القديمة / al-Madīna al-Qadīma, fa amin' ny teny hebreo kosa dia הָעִיר הָעַתִּיקָה / Ha'ír Ha'atiká.

Tanàna Tranain' i Jerosalema

Ny Tanàna Tranainy dia ampahany amin' i Jerosalema Atsinanana, fizaràn-tanin' ny tanànan' i Jerosalema izay eo atsinanan' ny tsipika fampitsaharana ady tamin' ny taona 1949, izay namarana ny Ady Arabo-Israeliana tamin' ny taona 1948-1949.

Ny Tanàna Tranainy sy ny Tendrombohitra Ôliva

Ny faribohitra efatra tsy mitovy, araka ny lovantsofina izay mety ho nanomboka tamin' ny sarintanin' ny tanàna britanika tamin' ny taona 1840, dia ny Faribohitra Mozilmana (31 ha), ny Faribohitra Kristiana (19 ha), ny Faribohitra Armeniana (12,6 ha), ary ny Faribohitra Jiosy (11,6 ha). Faribohitra fahadimy ny Tendrombohitry ny Tempoly, izay fantatry ny Mozilmana amin' ny anarana hoe Haram al-Sharif, no misy ny Tranoborin' ny Vatolampy, na môskea Al-Aqsa ary toerana nisy Tempoly jiosy taloha.