Ny Tafika Fotsy na Mpiambina Fotsy izay antsoina koa hoe Fotsy dia anarana iombonana ho an' ny tafika mitam-piadiana maromaro tao amin' ny Hetsika Fotsy sy ny governemanta manohitra ny Bôlsevika kômonista nandritra ny Ady an-trano rosiana. Niady tamin' ny Tafika Menan' i Rosia Sôvietika izy ireo. Amin' ny teny rosiana izy ireo dia atao hoe Бѣлая армія/Белая армия / Belaya armiya ("Tafika Fotsy") na Бѣлая гвардія/Белая гвардия / Belaya gvardiya ("Fiambenana Fotsy") na бѣлогвардейцы/белогвардейцы, belogvardeytsi ("Mpiambina Fotsy"). Rehefa noforonina ity tafika ity dia nampiasaina ny rafitry ny Tafika Rosiana tamin' ny vanim-potoan' ny governemanta vonjimaika, ary saika ny antokon-tafika tsirairay dia nanana ny mampiavaka azy manokana. Ny fahaiza-mabao ara-miaramilan' ny Tafika Fotsy dia nifototra amin' ny traikefa tamin' ny Ady Lehibe Voalohany, izay namela marika mafy tamin' ny antsipiriany mampiavaja ny Ady an-trano rosiana, na dia izany aza.