Synodam-paritany Manakara (FLM)

Ny Synodam-Paritany Manakara (SPMa) dia iray amin'ireo synodam-paritany ao amin'ny Fiangonana Loterana Malagasy miisa 23. Manana fileovana 18 izy[1].

Birao hanova

  • Filoha: Ratsitontanirina Gastrien, Past.
  • Filoha lefitra: Andrianiaina James,Past.
  • Mpitantsoratra: Rasolomampionona Noelson, Past.
  • Mpitantsiratra lefitra: Manandaza Ernest, Loholona
  • Mpitahiry vola: R. Ernest (Délégué)[2]

Fikambanan'ny Pastora Loterana/SPMa hanova

Ny pastora ao amin'io Synodam-Paritany io dia nanangana ny Fikambanan'ny Pastora Loterana Synodam-Paritany Manakara (FPL/SPMa).

Ny antom-pisian'ny fikambanana sy ny fikendreny hanova

Ankoatrin’ny fanatanterahana ny misionan’ny Fiangonana Loterana Malagasy dia nisafidy sehatr’asa manokana ho fampandrosoana sy hofampahombiaza ny asa pastoraly ny FPL/SPMa. Tsy hafa izany fa fampivoarany ny mpikambana rehetra, amin’ny maha olona manontolo.

Ireo mpikambana hanova

Manana birao ny FPL/SPMa izay misahana ny fampandehanana ireo raharaha efa nandalo fankatoavan'ny mpikambana.

Ny Raiamandreny hanova

Ny Filoham-boninahitra Pastora Ratsitontanirina Gastrien, Filohan’ny Synodam-Paritany Manakara.

Ireo mpikambana ao amin'ny birao hanova

  • Filoha: Pastora Andrianiaina James
  • Filoha lefitra: Pastora Augustin
  • Mpitantsoratra: Pastora Fanomezantsoa Olivier Sébastien
  • Mpitantsoratra lefitra: Pastora
  • Mpitahiry vola: Pastora Tsaramiafara Tsino Alfredy

Lasy pastoraly hanova

Isan-taona dia manatanteraka Lasy pastoraly ny fikambanana. Mazàna dia tanterahina any amin’ny renivohitry ny Synoda hafa izany ka tamin'ny taona 2015 dia tany Mahajanga no natao izany lasy pastoraly izany.

Ny antony anaovana ny lasy moa dia ho fanatanterahana ny fikendren’ny fikambanana amin’ny fampandrosoana sy ho fampahombiazana ny asa pastoraly. Koa tsy hafa ny foto-kevitra banjinina ao amin’izany fa ny fiofanana ara-teôlôjia sy fampisondrotana ny fahalalana ankapobeny.

Raha ny lasy pastoraly manokana no resahina dia saika fahombiazana foana no hita, satria sady fanitaran-tsaina no fialan-tsasatry ny pastora ihany koa. Ambonin’izany rehetra izany dia mampifamatotra bebe kokoa ny samy mpanompon’Andriamanitra amin’ny fifankatiavana izany. Ny olana matetika anefa dia tsy fahampian’ny ho enti-manana hanatanterahana izany lasy izany.

Loharanom-bolan'ny FPL/SPMa hanova

Tsy mba manana mpiara-miombona antoka ny fikambanana fa ny latsakemboka sy ny fanampian’ny fiangonana isan-toerana ato amin’ny SPMa ihany no fampandehanan-drahara. Noho izany dia tena eo amperin’ny fikarohana mpiara-miasa, toy ny Synoda rahavavy avy any dilam-bato na fikambanana mpanao asa sosialy eto an-toerana sy avy any ivelany izao ny birao.

Ireo fitaovana iatrehany ny asa hanova

Na ny isam-piangonana na ny eo anivon’ny fikambanana dia saika ny penina sy ny taratasy ihany no fitaovana mba ananana. Tsy ampy kalitao sy votsa tokoa ny fizotry ny asa araka izany. Araka ny vaninandro ankehitriny anefa dia tsy izany intsony no fampiasa fa efa ny solosaina daholo. Fikasan’ny birao ny hananan’ny isam-piangonana milina fanoratana mba hampiasain’ny pastora sy ny hisian’ny ivontoerana mikirakira ny fifandraisana avo lenta sy ny fiahiana ireo zanaky ny pastora mandranto fianarana aty amin’ny renivohitry ny Synodam-Paritany. Tsy misy antenaina amin’izany anefa raha tsy Jesosy Kristy izay namoky ny dimy arivo lahy tany an'efitra, tamin’ny mofo hordea dimy sy trondro madinika roa. Afaka mampitatra ny sakaiza mpiara-miasa ny Tompo.

Fanamarihana ankapobeny hanova

Hatreto dia mbola salama tsara ny fikambanan’ny pastora loterana ato amin’ny Synodam-Paritany Manakara, ka manantena ho avy mamirapiratra.

Jereo koa: hanova

Rohy ivelany hanova

Loharano hanova

  1. FLM Synodam-Paritany Manakara "Fileovana 18" Archived Oktobra 16, 2016 at the Wayback Machine
  2. FLM Synodam-Paritany Manakara "Birao" Archived Oktobra 16, 2016 at the Wayback Machine.