Ny sinapy dia zavamaniry ao amin' ny fianakavian' ny Brassicaceae. Atao hoe Sinapis ny anarany ara-tsiansa. Misy karazany enina ny sinapy, dia:

  • ny Sinapis alba, izay nantsoina hoe Brassica alba koa;
  • ny Sinapis allionii;
  • ny Sinapis arvensis;
  • ny Sinapis circinata;
  • ny Sinapis flexuosa;
  • ary ny Sinapis pubescens.
Sinapy fotsy
Vonin-tsinapy (Sinapis arvensis)
Voan-tsinapy fotsy

Ny Sinapis alba (izay azo adika amin' ny teny malagasy hoe sinapy fotsy) no anaovana fanatsarana ny tsiron-tsakafo. Maniry any Afrika Avaratra sy any Eorôpa (afa-tsy amin' ny faritra arktika) ary any Azia Andrefana (Atsinanana Akaiky) ny sinapy fotsy.

Literatiora hanova

Ao amin' ny Baiboly ao amin' ny Evanjelin' i Matio (Mat 13.31-32) sy ao amin' ny Evanjelin' i Marka (Mar 4.30-32), ary ao amin' ny Evanjelin' i Lioka (Lio 13.18-19) dia misy fanoharana nataon' i Jesoa momba ny Fanjakan' ny Lanitra izay oharina amin' ny voan-tsinapy novolena ka tonga zavamaniry lehibe. Ny sinapy resahina eto dia sinapy mainty (Brassica nigra).izay mahatratra 1,2 m rehefa lehibe. Izao ilay lahatsoratra, araka an' i Matio:

31Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan' ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy izay nalain' olona ka nafafiny tany an-tsahany; 32 fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry, dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voro-manidina ka mitoetra ao amin' ny rantsany. (Mat 13.31-32, Ny Baiboly)