Simona Makabeo
I Simona Makabeo dia zanaka lahin'i Matatià (na Matatiasy) sady mpandimby an'i Jonatàna rahalahiny. Tamin'ny taona 142 tal. J.K. izy dia nanao fifanarahana tamin'ny fanjakana siriana fa i Jodea (na Jodia) dia hatao fanjakana mahaleo tena. Noroahina hiala amin'ny tanànan'i Jerosalema ny Siriana rehetra. Tamin'ny taona 141 dia nivory ny vahoaka sy ny mpisorona jiosy rehetra ka nifidy an'i Simona ho mpisoronabe sady ho mpanapaka (governora), ka nanomboka tamin'izay ny raharahan'ny mpisoronabe sy ny an'ny governora dia nifandovan'ny fianakavian'i Simona, izay atao hoe Hasmoneana. Rehefa nanapaka nandritra ny enina taona i Simona dia novonoin'ny vinantolahiny, tamin'ny taona 135 tal. J.K. no nisehoan'izany.
Atao hoe שמעון התסי / Shimeon HaTasi izy amin'ny teny hebreo.
Jereo koaHanova
- Bokin'ny Makabeo
- Ireo Hasmoneana nifandimby: Matatià - Jodasy Makabeo - Jonatàna Makabeo - Simona Makabeo - Joany Hirkano I - Aristobolo I - Aleksandro Janeo - Salome Aleksandra - Joany Hirkano II - Aristobolo II - Antigonosy II Matatià