Ny silikata dia mineraly, sira raha ny marina kokoa, voaforon' ny silisy (SiO2) sy metaly na ôksida hafa, miavaka noho ny fananany endrika fototra valotava (tetraedra). Ny silikata dia 97 % amin' ny lanjan' ny hodi-tany, ary mihoatra ny 90 % amin' ny lanjan' ny bolavato (litôsfera).