Seleokosy I

(tonga teto avy amin'ny Seleucus I Nicator)
Seleokosy I Nikatora
Ankapobeny
Anarana Seleokosy I Nikatora
Teraka 358 tal. J.K.
Maty 281 tal. J.K
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Makedonia
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Seleokosy I Nikatora dia mpanjakan'i Siria tamin'ny taona 301 tal.J.K. hatramin'ny taona 280 tal. J.K. Niantomboka taminy ny fianakavia-mpanjaka atao hoe Seleokida.

Teraka tamin'ny taona 358 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 280 tal. J.K. I Antiokosy no rainy ary i Laodike no reniny. I Apama sy i Stratonike I no vadiny. Niteraka an'i Antiokosy I Sotera sy an'i Akaiosy I ary i Fila I izy.

Talohan'ny naha mpanjaka azy dia mpitari-tafika (jeneraly) niaraka tamin'i Aleksandra Lehibe izy izay nahazo anjara tamin'ny fizaràna ny faritra nanjakan'i Aleksandra tamin'ny taona 321 tal. J.K. taorian'ny nahafatesan'itsy farany. Nanjary governoran'i Babilona izy sy mpanjakan'i Babilonia izy tamin'ny taona 312 tal. J.K.

Tamin'ny taona 302 tal. J.K. izy dia nivondrona hanohitra an'i Makedonia ary tamin'ny taona 301 dia resin'izy ireo ny mpanjakan'i Makedonia atao hoe Antigonosy Monoftalmosy ary maty, ka dia izy no nahazo an'i Siria sy ny ampahany be amin'i Azia Minora. Nanao ny tenany ho mpanjakan'i Makedonia izy nefa ovonoin'i Ptolemaio Keraonosy taorian'izany.

Nanorina tanàn-dehibe maro izy, ka isan'izany i Antiokia (na Antioka) sy ny tanàna hafa nampitondraina ny anarany toa an'i Seleokian'i Tigra sy i Seleokian'i Pieria. Nampanamboatra vola koa izy.

Rehefa maty i Seleokosy tamin'ny taona 280 tal. J.K. dia i Antiokosy I Sotera zanany no nandimby azy.

Jereo koa hanova

Rohy ivelany hanova

  • Ao amin'i Freebase: [1]
 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.