Sarivongan' ny Fahafahana

(tonga teto avy amin'ny Sarivongan'ny Fahafahana)

Ny Sarivongan' ny Fahafahana (anglisy: Statue of Liberty) dia sary sokitra neôklasika goavambe eo amin' ny nosy Liberty Island (Nosy Fahafahana) ao amin' ny seranan-tsambon' i New York any Etazonia. Ity sarivongana varahina ity, izay fanomezana avy amin' ny vahoakan' i Frantsa ho an' ny vahoakan' i Etazonia, dia noforonin' ny mpanao sary sokitra frantsay Frédéric Auguste Bartholdi ary ny rafitra metaly dia naorin' i Gustave Eiffel. Notokanana tamin' ny 28 Ôktôbra 1886 ilay sarivongana.

Sarivongan' ny Fahafahana