18°54′00″S 47°47′00″E / 18.900000°S 47.783330°E / -18.900000; 47.783330

Sambaina
Velarantany NC
Isam-ponina 6 650 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna NC
Firenena  Madagasikara
Faritany Antananarivo
Faritra NC

Sambaina dia kaominina malagasy ao amin' ny distrikan' i Manjakandriana, Faritanin'Antananarivo. Ny isam-poniny dia 6650 araka ny faminavinana natao tamin'ny taona 2000. Ny kaodin-kaominina dia 10603 ary ny kaodin-distrika dia 106. Sambaina dia ilay vohitra kely eo andrefan’ i Manjakandriana, izay an-dalovan’ ny arabe n°2, atsinanan’ i Nandihizana (Carion) sy ny lalàm-by Antananarivo - Toamasina .

Vokatry ny fambolena hanova

Ny anjaran'ny tantsaha mampiasa zezika simika dia 5-25%. Ny entana faharoa lafo vidy indrindra dia haricot. Ny zava-bolena lehibe indrindra amin'ny lafin'ny velarantany dia mangahazo. Ny entana fahatelo lafo vidy indrindra dia mangahazo. Ny isan'omby dia 815. Ny isan'ny taona nisiam-pesitry ny vorona teo anelanelan'ny taona 1999-2001 dia 3. Ny zava-bolena faharoa lehibe indrindra amin'ny lafin'ny velarantany dia vary. Ny entana lafo vidy indrindra dia pomme de terre. 10 isan-jaton'ny tanimbary no voatondraka amin'ny tohidrano na paompy. 85 ny mponina no miasa tany. 15 ny mponina no miasa amin'ny sampandraharaha. 91 no isan'ny kisoa.

Ara-tsosialy hanova

Ahitana fikambanan-tantsaha ao. Ahitana fikambanam-pampiasa rano ao.

Fotodrafitrasa hanova

Tongavan'ny lalam-paritra ilay tanàna. Ahitana tobim-pahasalamana ao. Andalovan'ny lalam-pirenena ilay kaominina. Ahitana sekoly ambaratonga fototra. Ahitana orinasa mampiasa olona 10 hatramin'ny 50. Ahitana kolejy ao amin'ilay tanàna. Tsy ny JIRAMA no manome ny rano.

Fitaterana hanova

Ny fitaovam-pitaterana ampiasaina matetika indrindra dia fiara lehibe. Ny faharetan'ny dia mankany amin'ny renivohi-paritany dia 0 ora. Ahitana lalana godorô ao amin'ny kaominina. Ny fotoam-pitaterana mankany amin'ny tanàn-dehibem-paritany amin'ny andro fahavaratra dia 0 ora. Ny lalan-tany dia azo aleha mandavan-taona. Ny saran-dalan'ny olona tokana mankany amin'ny tanàn-dehibem-paritany amin'ny andro fahavaratra dia 3500 Fmg. Ny saran-dalan'ny olona tokana mankany amin'ny tanàn-dehibem-paritany amin'ny haintany dia 3500 Fmg.

Fahasoavana hanova

1 isan-jaton'ny mponina no tena mahantra dia mahantra. 74 isan-jaton'ny mponina no atao hoe mahantra. Ny halavan'ny vanim-potoana mety ahalanian'ny vokatry ny taon-dasa dia 6 volana. 5 isan-jaton'ny mponina no atao hoe manan-karena. 20 isan-jaton'ny mponina no manana fari-piainana antonontonony.

Endri-javatra hanova

Misy masoivohon'ny ministeran'ny fahasalamana. Misy masoivohon'ny ministeran'ny fahasalamana. Misy masoivohon'ny ministeran'ny asa tany. Misy masoivohon'ny ministeran'ny asa tany. Misy masoivohon'ny ministeran'ny fiarovana. Misy masoivohon'ny ministeran'ny fiarovana. Misy masoivohon'ny ministeran'ny fanabeazana. Misy masoivohon'ny ministeran'ny fanabeazana. Misy masoivohon'ny ministeran'ny mponina. Misy masoivohon'ny ministeran'ny mponina.

Olana hanova

Ahitana zandary ao amin'ilay kaominina.

Tantara hanova

Fony Andriamasinavalona nanjaka dia Andriampanarivofonamanjaka, zaodahiny, vadin-dRanavalontsimitoviaminandriana no tompomenakely lehibe tamin’ iny faritra atsinanana manamorina ny ala iny hatrany avaratr’ Ambatovory (toko Avaradrano) ka hatrany atsimon’ Ambohitrandriamanitra (Vakinisisaony). Maro anaka izy ka ny roa lahy nandova fanjakana dia Andrianjakavololonandriana (tao Avaradrano) sy Andriatsimitovifonamanjaka (tao amin’ ny Vakinisisaony).

Andrianjakavololonandriana dia nonina tao Ambohitrarivo, nanjaka tamin’ny ilany atsimo amin’ ny toko Avaradrano (Ivakiniadiana ankehitriny) ary niteraka an’ Andrianifonamanjaka; ity indray nanambady an-dRafotsiraivoramavo, zanak’ anabavin-drain’ Andriamarimapivovo, mpanjaka tany Imamo andrefana. Niteraka roa lahy izy roa dia: Andriandambozozoro sy Andrianjakafonamanjaka.

Andrianjakafonamanjaka dia napetran-drainy tao Ambatovory; nanambady an-dRanavalokoandriamanitra izy, izay zanaka vavin’ Andriambelomasina, mpanjakan’ Ambohimanga. Lasa vinanton’ ny Andriamanjaka noho izany Andrianjakafonamanjaka ary ny zanany sy ny taranany dia natao isan’ ny “zazamarolahy”: Andrianamboatsimaharivo sy Andriantsiresy izay nanambady an-dRabodosambaina, zanak’ Andriandambozozoro, avy ao Sambaina.

Andriandambozozoro indray dia nanjaka tao Sambaina; niteraka maromaro izy fa ny voatanan’ny tantara dia izy mianadahy: Andriandambonavalona sy Rabodosambaina vadin’ Andritsiresy voalaza eo ambony. Tsy nipetraka teo Sambaina loatra Andriandambozozoro fa lasa nanorina fanjakana menakely tany Imerinatsimo - Ambodirano, tao Malaza (atsinanan’ i Fenoarivo) ka niteraka an’ Andriamifonozozoro (Ivatobe), Andriamangarira (Antsahadinta), Andrianjakatrimo mianadahy avy, loharano niavian’ ny Andriamasinavalona amin’ iny faritra Ambodirano iny.

Dia nifindra indray Andriandambozozoro nankany Marovatana, tao Andambozozoro, andrefan’ avaratr’ Ambohipiara, ka niteraka an-dRalambozozoro sy ny taranany izay manana lafin-kavana aty Lohavohitra - Sambaina.

Andriandambonavalona, ilay zanak’ Andriandambozozoro tao Sambaina dia maro anaka ka ny zanany vavimatoa dia Razakatsihono, nitondra fanjakana, ary ny zanany lahy dia Rasavolahy zokiny (milevina ao Ambatovinaky Antananarivo) sy Rasavolahy zandriny (milevina any Ambohidrano andrefana).

Rohy ivelany hanova

  • ilo.cornell.edu - Statistika momba ny kaominina malagasy ary loharanom-pahaizana namoronana an'ity lahatsoratra ity.