Salamon' i Salômôna
Ny Salamon' i Salômôna na Salamon' i Sôlômôna dia fanangonana salamo miisa 18 izay tsy hita ao amin' ny boky kanônikan' ny Baiboly jiosy. Ity boky ity dia nipoitra tao amin' ny Jiosy niaina tamin' ny taonjato voalohany tal J.K. izay nahita an' i Jerosalema renivohiny nidiran' ireo mpangeja rômana. Hita ao amin' ny Septoaginta (na Septanta) io boky io nefa tsy hita ao amin' ny kanônan' ny Baiboly hebreo (Tanakh) araka ny soratra masôretika. Tsy tokony hafangaro amin' ny Antsan' i Salômôna ny Salamon' i Salômôna. Tsy isan' ny kanônan' ny Baiboly katôlika sy Baiboly prôtestanta izy.
Teôlôjian' ilay boky
hanovaI Salômôna ao amin' ny Salamon' i Salômôna dia miseho amin' ny toetran' ny Mesia: izy no ilay zanak' Andriamanitra izay nanitatra ny fari-taniny sady manandratra avo an' i Jerosalema. Tsy hanao zavatra maneho habibiana izy (Sal. Sal. 17.33), tsy sahala amin' ireo Rômana mpangeja izay nanao fandripahana. Araka an' i R.B. Wright, ny hevitra ny amin' ny Mesia dia hita bebe kokoa ao amin' ny Salamon' i Salômôna raha mitaha amin' ny soratra apôkrifa na pseodepigrafa hafa rehetra.
Toa miseho ho tsy mandala ny fandriam-pahalemana ny fiarahamonina resahina ao amin' io boky io satria manozona ireo fahavalony (Sal. Sal. 4.1snm, 6.14-20) sady maminany ny valifaty hahazo azy ireo amin' ny fitondran' ny Mesia (Sal.Sal. 12.6; 17.22-25.). Ekeny ho fitsipi-pifehezan' Andriamanitra ny fisedrana mahazo ny vahoaka (Sal. Sal. 14.1; 16.11.) satria hisy valisoa homena izay maharitra ho setrin' izany (Sal.Sal. 2.34 snm.). Mionona amin' ny fiainana amin' ny zava-misy amin' izao fotoana izao io vahoaka io sady manantena ny faharesen' ny fahavalony.
Mety azo ampifandraisina amin' ny endriky ny fiainan' ny Eseniana tao Komràno io fanoritsoritana io (ohatra: ao amin' ny Fitsipiky ny fiangonana na ao amin' ny Tahirin-kevitra tao Damaskôsy), nefa tsy dia misy teny manana hevitra miafina firy ny fomba fiteny iresahany an' i Jerosalema raha ampitahaina amin' ny soratra eseniana tao Komràno. Ao amin' ny Salamon' i Salômôna ny vahoaka dia miezaka hiaina araka ny fahasahiranana miseho amin' ny fotoana ankehitriny sady manantena trangan-javatra mesianika apôkaliptika.