Ny Salamo faha-76 na Salamo 76 dia salamo ao amin' ny Baiboly. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky fahatelo:" (Sal. 73-89) ity salamo ity. Ny Salamo faha-75 no eo alohany ary ny Salamo faha-78 no manaraka azy.  

Lahatsoratra

hanova

Ao amin' ny Baiboly prôtestanta

hanova
  1. Ho an' ny mpiventy hira. Hampiarahina amin' ny valiha. Salamo nataon' i Asafa. Tonon-kira. Andriamanitra dia fantatra eo amin' ny Joda; malaza eo amin' ny Israely ny anarany;
  2. Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany.
  3. Teo no nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana.
  4. Mamirapiratra Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin' ny tendrombohitra fitohàna.
  5. Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika ny tànany avokoa ny olo-mahery rehetra.
  6. Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr' i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly.
  7. Hianao no mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny fahatezeranao?
  8. Avy tany an-danitra no nampandrenesanao fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka sina,
  9. Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin' ny tany.
  10. Fa ny fahatezeran' ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao.
  11. Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin' i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an' Izay mahatahotra.
  12. Manapaka ny reharehan' ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan' ny tany.

Jereo koa

hanova