Ny Sabira dia vahoaka taloha nijanona tany avaratr' ny Ranomasina Kaspiana, talohan' ny nahatongavan' ny Avara. Toa anisan' ny vahoaka torkika izy ireo, angamba manam-piaviana hona, ary niorim-ponenana tao amin' ny Lemaka Pôntika indrindra. Nandray anjara tamin' ny ady isan-karazany izy ireo nandritra ny 500-600 taona tao amin' ny faritr' i Kaokazia.