I Sabelio na Sabeliosy dia teôlôjiana kristiana ary pretra avy any Libia izay nanorim-ponenana tany Rôma tamin' ny taonjato faha-3. Nitory endrika onitarisma na onitarianisma faran' izay henjana antsoina hoe "môdalisma", izay milaza fa ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia fomba ("mode") samy hafa na fisehon' Andriamanitra, fa tsy "hipôstazy" telo na persôna miavaka. Noho izany, ho an' ny môdalisma, ny Telo dia tsy ao aminy fa ho antsika.