Sôkôtra
Sôkôtra (arabo: سُقُطْرَىٰ Suquṭrā) na Saqatri (ساقطري Saqaṭri) dia nosy iray ao amin'ny Repoblikan'i Iemena ao amin'ny Ranomasimbe Indianina. Eo anelanelan'ny Lakandranon'i Guardafui sy ny Ranomasina Arabo ary akaikin'ny làlam-pifamoivoizana lehibe, i Sôkôtra no lehibe indrindra amin'ireo nosy efatra ao amin'ny vondronosy Sôkôtra.
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/93/Socotra_satview.jpg/220px-Socotra_satview.jpg)