Krizy ara-pôlitika teto Madagasikara tamin' ny 2009

(tonga teto avy amin'ny Rotaka tamin'ny taona 2009)

Ny Krizy ara-pôlitika teto Madagasikara tamin' ny 2009 dia rotaka nampandringa an' i Madagasikara izay niseho tamin' ny antsasany farany amin' ny volana Janoary 2009 notarihin' ny ben' ny tanànan' Antananarivo, Andry Rajoelina, nanoherana ny fitondran-dRavalomanana tao an-drenivohitra[1], hetsika izay niafara tamin' ny fanonganam-panjakana sy nitarika ny fametraham-pialan' ny filohan' ny Repoblika tamin' ny 17 Marsa 2009 sy fidiran' ny firenena amin' ny Tetezamita tamin' ny 21 Marsa 2009 ka i Andry Rajoelina no filohan' ny Fahefana Avon' ny Tetezamita (FAT).

Krizy pôlitika malagasy tamin' ny taona 2009

Zava-misy manodidina hanova

Nifanohitra ny ben' ny tanànan' Antananarivo, Andry Rajoelina, sy ny filoham-pirenena malagasy Marc Ravalomanana momba ny orinasan' i Andry Rajoelina[1] sy ny fitantanana ny Kaominina ary ny fitantanana ny firenena.

Fividiana fiaramanidina lafo vidy hanova

Nsy ny fividianan' ny filohan' ny Repoblika fiaramanidina vaovao (Boeing 737) mitentina 60 tapitrisa dôlara.

Fampindramana tany ny Daewoo Logistics. hanova

Nisy koa ny fampindramana tany 1,3 tapitrisa hekitara ho an' ny orinasa Daewoo Logistics [2].

Fampitsaharana ny fanampiana ara-bolan' ny kaominina hanova

Nisy ny fampitsaharana ny fanampiana ara-tetibolan' ny kaominina avy amin' ny mpiara-miombon' antoka ara-teknika sy ara-bola.

Fanakatona ny fahitalavitra Viva hanova

Nisy ny fanapahan-kevitran' ny fanjakana, tamin' ny 13 Desambra, hanakatona ny Viva, fahitalavitry ny orinasan' i Andry Rajoelina, taorian' ny fandefasana ny tafatafa nataon' ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka[3]. Nanameloka an' io ny Reporters sans frontières. Nanakiana izany koa tamin' ny 17 Desambra 2008 ny solontenan' ny mpanohitra sy ny fiaraha-monina sivily (Madeleine Ramaholimihaso sy Nadine Ramaroson); i Andry Rajoelina nitaky ny fisokafan' ny fahitalavitra nohidian' ny fanjakana.

Tsy fahafahan' ny mpanohitra miditra ao amin' ny RNM sy TVM hanova

Nitaky ny hahafahan' ny solontenan' ny mpanohitra haneho hevitra ao amin' ny radiom-pirenena (RNM) sy ny televizionam-pirenena (TVM), ary namoaka teny fampitandremana farany, izay lany fe-potoana tamin' ny 13 Janoary 2009, nefa tsy nihetsika ny fitondrana.

Hetsika niafara tamin' ny fanonganana hanova

Fihetsiketsehana an-dalambe hanova

 
Fihetsiketseham-panoherana notarihin' i Andry Rajoelina tamin' ny taona 2009 tao Antananarivo.

Niantso hanao filaharam-be Rajoelina tamin' ny 17 Janoary eo amin' ny Kianjan' ny 13 Mey ao Antananarivo, ary nahangona olona 50 000, nanaraka ny fihetsiketsehana manohitra ny fanjakana tamin' ny 24 Janoary, ary lasa nivadika rotaka sy fandrobana izany. May tamin' io ny tranon' ny Televiziona Malagasy, fahitalavitra malagasy.

Fanimbana fanan' olona sy fananam-pirenena hanova

 
Fiara nodoran' ny mpanao fihetsiketsehana

Nanafika ny fahitalavi-pirenena sy ny radiom-pirenena ary ny fananan' ny filoha Ravalomanana ny mpanohana ilay hetsika[4]. Orinasa maromaro ihany koa, izay tsy an’ ny filoha no voaroba sy may: Citic, Jumbo Score, Courts, Magro, Suprême Center, Mirrors of Madagascar, sns. Betsaka ny olona maty tao aty trano mirehitra (40 hatramin' ny 80)[5].

Fanafihana lapam-panjakana hanova

Tamin' ny 7 Febroary 2009 i Andry Rajoelina dia nanendry an' i Monja Roindefo ho praiministra teo amin' ny Kianjan' ny 13 Mey ka nanome azy ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. I Monja Roindefo no mitarika ny hetsika fakana ny lapa.

Nitoby manodidina ny lapa (izay faritra mena) ny mpitandro filaminana. Nanomboka ny fifampiresahana. Niverina nankeny amin' ny vahoaka ny delegasiôna ka nampandre azy ireo fa hitifitra ny mpiambina nefa nirohotra nankany an-dapa ny vahoaka, nitifitra ny mpiambina ka maro ny maty (miisa 135)[6] sy naratra, ary betsaka ny olon-dratsy izay nivoaka ny fonja[7]. Nialokaloka tao amin' ny masoivohon' i Frantsa i Andry Rajoelina, izay nenjehin' ny fitsarana, tamin' ny 6 Marsa 2009[8].

Tamin' ny 16 Marsa 2009 hariva dia lasan' ny miaramila mpikomy ny lapan' Ambohitsorohitra, tamin' ny alalan' ny fiara mifono vy sy ny balafomanga.

Fanonganam-panjakana hanova

Ity hetsika ity dia niafara tamin' ny fanonganam-panjakana sy nitarika ny fametraham-pialan' i Marc Ravalomanana tamin' ny 17 Marsa 2009, izay namindra fahefana tamin' ny Direktoara miaramila, notarihin’ ny jeneraly telo. Taorian' izany dia noteren' ny miaramila hamindra ny fahefana amin' i Andry Rajoelina ireto jeneraly telo ireto. Nanaiky ary nandraikitra izany famindràm-pahefana izany ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Izany dia noheverin' ny fianakaviambe iraisam-pirenena ho fanonganam-panjakana[9].

Nanao ny fianianana amin' ny maha filohan' ny Tetezamita azy i Andry Rajoelina tamin' ny 21 Marsa 2009 na dia tsy nankatoavin' ny fianakaviambe iraisam-pirenena aza izany.

Jereo koa hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. 1,0 et 1,1 "Madagascar : un conflit d’entrepreneurs ? Archived Aogositra 14, 2022 at the Wayback Machine" [tahiry], www.politique-africaine.com, mars 2009.
  2. "Utilisant le mécontentement populaire, le maire d'Antananarivo défie le président Ravalomanana" [tahiry], Le Monde,‎ 22 janvier 2009
  3. "Madagascar : bras de fer entre le maire d'Antananarivo et le président", Le Monde,‎ 26 janvier 2009 ( [tahiry])
  4. "À Antananarivo, une manifestation contre le chef de l'Etat s'accompagne de pillage" [tahiry], Le Monde,‎ 27 janvier 2009.
  5. "Au moins 68 morts à Madagascar depuis lundi Archived Febroary 1, 2009 at the Wayback Machine" [tahiry], Libération,‎ 29 janvier 2009
  6. "Thirty-four protesters hurt in Madagascar's capital" [tahiry], Reuters, 28 mars 2008
  7. "Pressure grows on Madagascar head" [tahiry], 17 mars 2009, BBC
  8. "Rajoelina réfugié à l'ambassade de France" [archive], Le Figaro, 10 Mars 2009
  9. Rajoelina réfugié à l'ambassade de France [archive], Le Figaro, 10 Mars 2009