Rindrankajy fampiharana

Ny rindrankajy fampiharana (amin'ny teny frantsay application informatique, anglisy application software) na hoe fampiharana, amin'ny kajimirindra, dia fandaharana an-kajimirindra (na rindrankajy vory) ampiasain'ny mpampiasa hanatanterahana asa iray, na vorin'asa madinika amin'ny valan'asa iray. Ny mpitety tranonkala izao ohatra dia rindrankajy fampiharana iray; torak'izany koa ireo mpahita aino aman-jery, na ireo lalao video. Mandeha amin'ny alalan'ny mpandrindra milina ny rindrankajy fampiharana ary mampiasa ny fahafaha-mikajin'izy io.

Fampiharana hita matetikaHanova

Ny fampiharana malaza amin'ny orinasa dia ny fampiharana am-birao, fanoratan-dahatsoratra, fanaovan-kajy an-tabilao, mpitantam-bokatra, mpitantana asa, fikirakirana tetikasa na koa ny fitantanana taratasy elektronika. Eo anivon'ny fianankaviana, ny malaza dia ny fanisam-bola, tantara, firaketan-tsary, fianarana sy fanabeazana ary ny lalao.

Tamin'ny taona 1950, niseho ny fiteny fandaharana avo lenta voalohany, i John backus no namolavola fortan, ary i Grace Hopper no namolavola cobol. Nanatsotra be ny fanoratana rindrambaiko fampiharana ny fivoarana toy izany, izay nosoratan'ny orinasa tsirairay nividy solosaina avy eo.[1]

FanamarihanaHanova

  1. Ny fiaviany. Ny niandohan'ny fandaharana.

Jereo koaHanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.