Congo (ony)

(tonga teto avy amin'ny Renirano Kôngô)

I Congo, izay fantatra koa taloha amin' ny hoe Zaire, dia ony ao Afrika Afovoany, mikoriana ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, ony faharoa aty Afrika amin' ny halavany, aorian' i Nily na Neily, ary faharoa amin' izao tontolo izao amin' ny habetsahan’ ny rano entiny, manaraka ny Amazôna ihany.

Ny Ony Congo
Tazanina avy eny ambony ny ony Congo, akaikin' i Kisangani, renivohitry ny Province Orientale. I Kisangani dia ivon-toerana ara-barotra manan-danja ho an' ny fitaterana an-drenirano sy an-tanety ary foibe fivarotana sy fizarana lehibe ho an' ny faritra avaratra-atsinanana ao amin' ny firenena.

Atao hoe Nzâdi Kongo izy amin' ny teny kôngô, Fleuve Congo amin' ny teny frantsay, ary Rio Congo amin' ny teny pôrtogey.

Mirefy 4 700 km mahery i Congo, 200 m ka hatramin' ny 1 440 m ny sakany izay mahatratra 19 000 m ao am-pivarinany any an-dranomasina, ary mety mahatratra ny 12 m hatramin' ny 75 ny halaliny izay mahatratra 219,5 m amin' ny faritra sasany.

Miforona amin' ny alalan’ ny fihaonan' ny renirano Lualaba sy Luvua ao amin' ny faritra atsimo amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô izy, ary mikoriana mianavaratra mankany amin' ireo riandrano Boyoma (Stanley) tandrify ny fehiben-tany. Mivoaka avy ao amin' ireo riandrano Stanley ireo i Congo, avy eo mamakivaky ny tanànan' i Kisangani. Azo ifamoivoizana amin’ ny sambo eo emin’ ny 1 600 km mahery ilay ony avy eo. Manomboka manaraka lalala miendrika renitsipika lehibe mitodika avaratra-atsinanana, sy miankandrefana avy eo mianatsimo izy.

Maro ny sakelidrano manompo azy, ka isan’ ireo lehibe indrindra i Aruwimi eo amin' ny ilany havanana, sy i Lomami eo amin' ny ilany havia. Manondraka an’ i Mbandaka izy, izay iampitany ny fehiben-tany, avy eo mandray ny ranon’ i Oubangui, izay sakelidrano lehibe amin’ ny ilany havia, sy ny an’  i Kasaï eo amin’ ny ilany havanana. Miitatra vetivety izy ao Malebo Pool (ilay Stanley Pool teo aloha), avy eo mandalo an’ i Kinshasa, renivohitry ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, eo amin' ny sisiny havia, ary mandalo koa an’ i Brazzaville, renivohitry ny Repoblikan' i Kôngô, eo amin' ny sisiny havanana, ary mamorona ny sisintany eo amin’ ireo firenena roa ireo.

Any ambany, ny tapany ambany amin’ i Congo (Congo inférieur) dia ahitana riandrano maromaro, dia ireo riandraon’ i Livingstone, ka ny atsimo indrindra amin' izy ireo, izay eo ambonin’ i Matadi, dia tsy lavitra an' io seranan-tsambo ao amin' ny vavaran-drano io. Tsy azo andehanana sambo ity tapany mirefy 400 km eo ho eo ity. Ao ambanin’ i Matadi, amin’ ny toerana izay iantombohan’ ilay vavaran-drano, dia lasa azo andehanana sambo indray ilay renirano, eo amin’ ny halavirana mirefy 130 km eo ho eo, mankany amin’ ny vavany any amin’ ny Ranomasimbe Atlantika, izay maha 34 000 m3/s ny habetsahan’ ny rano entiny.

Ny faritanin-dranon' ny ony Congo

Misy nosy maherin' ny 4 000 miparitaka manaraka ny lalan’ io ony io, ka ny 50 amin' ireo dia mihoatra ny 50 km ny halavany. I Congo no manondraka ny faritanin-drano afovoany vakivakin’ ny fehiben-tany amin' i Afrika, izay faritra mihoatra ny 4 tapitrisa km², ary izy no lalam-pifandraisana lehibe indrindra any Afrika Afovoany. Ity faritanin-drano ity dia ahitana ny ampahany be amin’ ny tanin' ny firenena voalaza etsy ambony, sy ny tapany avaratra amin' i Angôla, ny tapany andrefana amin' i Zambia sy amin i Tanzania, ary ny tapany atsimo amin' ny Repoblikan' i Afrika Afovoany. Toerana misy zavamaniry matevina izy, indrindra any amin' ny lohasaha maro. Maherin’ ny 14 500 km no azo ifamoivoizan amin’ ny sambo amin’ i Congo sy ny sakelidranony.

Jereo koa hanova