Rafaravavy Rasalama

(tonga teto avy amin'ny Rasalama)

Rafaravavy Rasalama, izay fantatra amin' ny hoe Rasalama Maritiora, no maritiora kristiana malagasy voalohany. Teraka tamin' ny taona 1810 sy maty tamn' ny taona 1837 tao Antananarivo izy. Izy no isan' ny mpianatra voalohany tao amin' ny sekoly madinika naorin' ny misiôneran' ny London Missionary Society tamin' ny taona 1824.

Rehefa nanorim-ponenana tao Manjakaray ao amin' ny manodidina an' Antananarivo ny fianakaviany, dia lasa anisan' ny mpivavaka tao amin' ny fiangonana kristianina voalohany tao Ambodin' Andohalo, akaikin' ny lapan' ny mpanjaka izy.

Izy dia anisan’ ireo Malagasy voalohany natao batisa (Mey 1831) sy nandray ny fanasan' ny Tompo (Jona 1831) tao Ambatonakanga, izay fiangonana niorina voalohany indrindra. Tamin' ny taona 1835, rehefa nambaran' ny mpanjakavavy Ranavalona I fa tsy ara-dalàna ny fivavahana kristiana, dia niafina tanaty zohy akaikin' ny tranony Rasalama. Tamin’ ny volana Jolay 1837 dia hita io zohy io, ka nosamborina Rasalama ary natolotra ho andevon’ ny mpivarotra iray.

Niaretany ny fampijaliana natao azy mandra-pahatongan’ ny fotoana tsy netezany hiasa amin' ny andro Alahady, ka nahatezitra ny tompony izany raha nanambara ny finoany izy. Voaheloka ho faty izy noho ny fikomiana tsy hanatateraka ny sitrapon' ilay mpanjakavavy. Tamin' ny 14 Aogositra, taorian' ny alina izay nijaliany tao m-ponja, dia nentina teny Ambohipotsy izy. Lasa nalaza ny diany an-tongotra, izay arahiny vavaka hira, hatrany amin' ny toeram-pamonoana.

Novonoina tamin' ny alalan' fandefonana izy, ary tsy nalevina ny fatiny fa navarina tany anaty hantsana.

Tamin' ny taona 1867 no notokanana teo amin' ny toerana nisy ny fonjany ny tempoly FJKM Tranovato Ambatonakanga, tempoly vato voalohany teto amin' ny Nosy. Herintaona taty aoriana, tamin' ny 17 Nôvambra 1868, no notokanana ny tempoly FJKM Rasalama Maritiora Ambohipotsy. 2,3 km ny elanelan' izy ireo, mandalo eo anoloan' ny lapan' ny Rova Manjakamiadana.

Jereo koa hanova