Rajabo

(tonga teto avy amin'ny Rajaba)

Ny Rajaba na Rajabo no volana fahafito ao amin' ny tetiandro mozilmana. Iray amin' ny volana masina ny Rajabo, ka ny telo hafa dia ny Moharamo sy ny Doalkida ary ny Doalhija. Ny anaran' io volana io amin' ny teny arabo dia رجب / Rajab. Ny faha-27 dia andro ahatsiarovana ny dia lavitra nataon' i Mohamady andro alina avy ao Meka mankany Jerosalema, atao hoe "Isra' sy Mi'raj". Ny volana Jomadaatania no eo alohany fa ny volana Sabàny no manaraka azy.

Jereo koa hanova