Rafi-masoandro

(tonga teto avy amin'ny Rafitry ny Masoandro)

Ny rafi-masoandro na koa rafitry ny masoandro dia vondrom-pajiry ahitana kintana iray na maro, ny Masoandro. Ny rafitry ny masoandrontsika dia ahitana fajiry valo ary volana 175, fajiry madinika dimy ary zavatra madinika an-davitrisany.

Rafitry ny masoandro

Fiantsoana hanova

Araky ny fanapahan-kevitra nataon'ny Vondron'ny hainkintana iraisam-pirenena tamin'ny 24 Aogositra 2006, dia voasokajy anaty sokajy telo ny zavatra ara-kainkintana misoridala-manodidin'ny Masoandro: ny fajiry (na planeta), fajiry madinika, ary ny zavatra madinika.

Firafitra ary mpanorina hanova

Ny singa lehibe indrindra ao amin'ny rafitry ny masoandro dia ny Masoandro, izay 99,85%-n'ny lanja fantatry ny rafitry ny masoandro, ary izay manjaka ny rafitra amin'ny lafin'ny vesa-jaka. 99%-n'ny lanja manontolon'ny lanja sisany ny fajiry etona lehibe.

Halavirana ary mari-drefy hanova

Refy ara-kainkintana (AU, avy amin'ny teny anglisy astronomical unit) 1 ny halaviran'ny Tany amin'ny Masoandro. Arak'izany dia 0,0047 AU ny savaivon'ny Masoandro. 5,2 AU amin'i Masoandro ny halaviran'i Jiopitera, Neptiona izay fajiry lavitra indrindra amin'ny Masoandro dia manana halavirana 30 AU (4 500 000 000 km).

Refy ara-kainkintanaRefy ara-kainkintanaRefy ara-kainkintanaRefy ara-kainkintanaRefy ara-kainkintanaRefy ara-kainkintanaRefy ara-kainkintanaRefy ara-kainkintanaRefy ara-kainkintanaRefy ara-kainkintanaKometan'i HalleyMasoandroEris (fajirymadinika)Makemake (fajirymadinika)Haumea (fajirymadinika)PliotôCeres (fajirymadinika)NeptionaOranosySatorinaJiopiteraMarsaTanyVenosyMerkioraHalava ara-kainkintanaRefy ara-kainkintanafajiry madinikafajiry madinikaKometaFajiry


Rafitry ny masoandro anaty hanova

Ny Rafitry ny asoandro ia manonona ny faritra eo antenantenan'ny Masoandro ary ny fehin'asterôida, izay ahitana silikaty ary metaly. Mbola kely noho ny halaviran'i Jopitera ary Satorina ny halaviran'i zavatra akaiky indrindran'ny fehin'asterôida amin'ny Masoandro.

Rafitry ny masoandro ivelany hanova

Any andafin'ny fehin'asterôida dia ahitana ny faritra anjakan'ny planeta etona goavana be. Ao koa dia ahitana ireo kometa fohy fotoana.

Ny zavatra hita ao amin'io faritra io dia zavamandry toa ny ranomandry, amôniaka, na metanina.

Faritra lavitra hanova

Amin'ny faritra lavitry ny rafitry ny Masoandro kosa dia ahitana ny fonomasoandro (heliosheath/héliogaine), ny sisimasoandro (heliopause), ny rahon'i Oort ary ny rahon'i Hills.

Fonomasoandro hanova

 
Sary maneho ny onja dona (bow shock), ny fonomasoandro, ary ny dona famaranana (terminal shock)

Voazara ho faritra roa ny heliôsfera (faritra anjakan'ny rivo-masoandro). Mandeha farany izay haingana ny rivo-masoandro hatreo amin'ny 95AU eo ho eo, izay in-telon'ny fahalaviran'i Plotô ary ny Masoandro. Rehefa mihoatra izay izy dia mifandona amin'ny rivotry ny kintana hafa. Mihamoramora ny fandehanany, voahelingelina ny fahdehany. Fonomasoando no iantsoana io faritra ihamoramoran'ny fandehany io. Ny sisimasoandro no antsoina ny faritra anjavonan'ny rivo-masoandro avy amin'ny Masoandro.

Miankina amin'ny fifandraisany amin'ny fari-kabakabaka iraisan-kintana ny endriky ny sisimasoandro. Rehefa miala amin'ny sisimasoandro (230 AU miala amin'ny masoandro), dia ahitana onjan-dona izay faritra plasma avelan'ny Masoandro amin'ny diany ao amin'ny Lalana Mandronono.

Rahon'i Oort ary rahon'i Hills hanova

Ny rahon'i Hills dia faritra heverina, eo anelanelan'ny fehin'i Kuiper ary ny rahon'i Oort.

Ny rahon'i Oort dia faritra heverina fa misy zavatra mivaingana mahery ny 1018 (iray miliara miliara) ary heverina fa toeram-piavian'ny kometa lava fotoana. Manomboka eo amin'ny 50 000 AU hatramin'ny 154 000 AU. Kely ny hafaingam-pihetsehan'ny zavatra ao amin'ny rahon'i Oort ary mety ho voahelingelin'ny kintana manakaiky, ny onja ara-bondron-kintana ary ny fifandonana ny fizotran'izy ireo.

Jereo koa hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.