Ptôlemaiôsy X

(tonga teto avy amin'ny Ptolemaiosy X Aleksandra I)

I Ptôlemaiôsy X na Ptôlemaiôsy X Aleksandra I Filômetôra dia mpanjakan' i Egipta izay nanapaka tamin' ny taona 107 tal. J.K. hatramin' ny taona 88 tal. J.K. Isan' ny dinastia lagida izy. Rehefa avy nampamono ny reniny izy dia niara-nanjaka tamin' i Berenike III Kleôpatra Filôpatôra vadiny. Zanaka lahy faharoan' i Ptôlemaiôsy VIII Evergetesy II Trifôna sy i Kleôpatra III Evergetesy Filômetôra izy. Tsy fantatra ny daty nahaterahany, nefa mety teo anelanelan' ny taona 140 sy 139 tal. J.K. Maty tamin' ny taona 88 tal. J.K. izy. Amin' ny teny grika dia atao hoe Πτολεμαῖος Ἀλέξανδρος / Ptolemaĩos Aléxandros.

Sarivongan' i Ptôlemaiôsy X Aleksandra

Jereo koa hanova