I Ptolemaiosy XI na Ptolemaiosy XI Aleksandra II dia mpanjakan'i Egipta avy tamin'ny fianakaviana lagida izay nanapaka tamin'ny taona 80 taor. J.K. Zanak'i Ptolemaiosy X Aleksandra I izy ary tsy fantatra ny reniny, nefa misy mpahay tantara milaza fa i Kleopatra V Selena I no reniny. Teraka tamin'ny taona 105 na 104 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 80 tal. J.K. Atao hoe Πτολεμαῖος Ἀλέξανδρος / Ptolemaĩos Aléxandros io anarany io amin'ny teny grika.

Nirahina tany Kosy izy tamin'ny taona 103 tal. J.K. ka nosamborin'i Mitridata VI mpanjakan'i Ponto niaraka tamin'i zana-drahalahin-drainy Ptolemaiosy mpanjakan'i Kiprosy tamin'i Mitridata naka ny nosy Kiprosy tamin'ny taona 88 tal. J.K. Nandritra ny fotoana nahavoafonja azy dia notezaina tao amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Ponto izy ka afaka nifampiresaka tamin'i Mitridata VI sy i Sila (na Sola; latina: Lucius Cornelius Sulla) mba handositra sy hikambana amin'ity farany. Rehefa maty i Ptolemaiosy IX Sotera II Latirosy dia izy no tokony handova azy eo amin'ny fanjakan'i Egipta. Tamin'ny fiantombnohan'ny taona 80 tal. J.K. dia noteren'i Sila ho mpanjakan'ny mponin'i Aleksandria izy.

Jereo koaHanova

Ireo mpanjaka lagida nifandimbyHanova

Ptolemaiosy I - Ptolemaiosy II - Ptolemaiosy III - Ptolemaiosy IV - Ptolemaiosy V - Ptolemaiosy VI - Ptolemaiosy VII - Ptolemaiosy VIII - Ptolemaiosy IX - Ptolemaiosy X - Ptolemaiosy XI - Ptolemaiosy XII - Berenike IV - Kleopatra VII - Arsinoe IV - Ptolemaiosy XIII - Ptolemaiosy XIV - Ptolemaiosy XV.