Ptôlemaiôsy IX

(tonga teto avy amin'ny Ptolemaiosy IX Sotera II)

I Ptôlemaiôsy IX na Ptôlemaiôsy IX Sôtera II, izay nahazo ny tovan' anarana hoe Latirôsy, dia faraon' i Egipta avy amin' ny fianakaviana lagida izay nanjaka tamin' ny taona 116 hatramin' ny taona 107 tal. J.K. avy eo tamin' ny taona 80 hatramin' ny 81 tal. J.K. (na 88 hatramin' ny 80 tal. J.K.). Teraka tamin' ny taona 143 na 142 tal. J.K. ary maty tamin' ny taona 80 tal. J.K. Izy no lahimatoan' i Ptôlemaiôsy VIII Evergetesy II Trifôna tamin' i Kleôpatra III Evergetesy. Atao hoe Πτολεμαῖος Σωτήρ / Ptolemaĩos Sôtêr izy amin' ny teny grika. Ny hoe Λάθυρος / Láthuros dia tovan' anarana azony noho izy nahitana bokotra tamin' ny orony. Ny hoe Sôtêr dia midika hoe "mpamonjy".

Vola misy ny sarin' i Ptôlemaiôsy IX Sôtera II

Jereo koa hanova