Prôtô-Zakaria

(tonga teto avy amin'ny Proto-Zakaria)

Ny Prôtô-Zakaria dia ampahany voalohany ao amin' ny Bokin' i Zakaria ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly, izay manomboka amin' ny toko voalohany ka miafara amin' ny toko faha-8, sady heverina fa nosoratan' ny mpaminany Zakaria tenany tokoa. Mety tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-6 tal. J.K. na tamin' ny taonjato faha-5 tal. J.K. no nanoratana azy.

Ny Bokin' i Zakaria dia fitambarana boky roa na telo samy hafa ka ny faharoa, izay atao hoe Deoterô-Zakaria (toko 9 – 11), sy ny fahatelo atao hoe Tritô-Zakaria (toko 12 – 14) dia nosoratana fotoana ela taty aorian' ny nanoratana ny voalohany.

Ny Prôtô-Zakaria dia maneho ny fotoana nanarakaraka ny Fahababoana tany Babilôna (aorian' ny 538 tal. J.K.) sady miresaka ny amin' ny hanamboarana indray ny Tempoly sy hananganana an' i Jerosalema, mba hanomanana ny fiavian' ny andron' ny Mesia. Manantitra ny tokony handraisan' ny tsirairay anjara sy hankatoavana an' Andriamanitra ny boky eto, sady manantitra koa ny amin' ny fiainana ara-panahy ao anaty ary ny fahitana ny amin' ny tontolo feno fiadanana izay hiarahan' ny Jiosy sy ny Jentilisa hivavaka amin' Andriamanitra.

Fotoana nanoratana hanova

Ny Prôtô-Zakaria (1 – 8) dia mety voasoratra tamin' ny taonjato faha-6 na faha-5 tal. J.K[1]. Io no tokony ho nosoratan' ny mpaminany Zakaria. Ireo manam-pahaizana dia mihevitra fa teo anelanelan’ ny taona 520 sy 515 tal. J.K. no niasan' i Zakaria.

Fizaràn' ny Prôtô-Zakaria hanova

Toko 1 – 6 hanova

Antso fampibebahana (1.1 – 1.6) hanova

Ny andininy voalohany hatramin' ny faha-6 amin' ny toko voalohany dia teny fampidirana izay mitaona ny olona hibebaka; tokony ho soratra natao taty aoriana izy io izay mamintina ireo fomba fijerin' i Zakaria momba ny fitondran-tena.

Ireo fahitana valo (1.7 – 6.8) hanova

Ny andininy faha-7 amin' ny toko voalohany hatramin' ny toko faha-6 dia mirakitra ireo fahitana valo azon' i Zakaria tamin' ny taona 519 tal. J.K., izay arahina fanazavana ataon' ny anjely tamin' ny mpaminany. Ireo fahitana ireo dia ahitana sary apôkaliptika ka manambara ny maha akaiky ny fahatongavan' ny vanim-potoan’ ny Mesia. Ireto avy ireo fahitana ireo:

  1. ny mpitaingin-tsoavaly efatra,
  2. ireo tandroka efatra,
  3. ilay tady fandrefesana,
  4. ilay fisoronana nohavaozina,
  5. ilay fitoeran-jiro volamena,
  6. ilay horonam-boky manidina,
  7. ilay vehivavy sy ny vata famarana,
  8. ireo kalesim-piadiana efatra.

Ilay mpisorona hanapaka amin' ny fanamboarana ny Tempoly (6.9-15) hanova

Ny andininy faha-9 hatramin' ny andininy faha-15 amin' ny toko faha-6 dia manoritsoritra ny amin' ny fametrahana satro-boninahitra ara-panoharana eo amin' ny mpisorona iray izay nitondra ny vahoaka amin' ny fanamboarana indray ny Tempoly.

Toko 7 – 8 hanova

Faminaniana isan-karazany (7.1 – 8.23) hanova

Ity fizaràna ity indray dia ahitana teny faminaniana mifangaro fananarana ara-pitondran-tena sy faminaniana mahakasika ny Mesia. Ny boky eto dia maneho ny famaliana ny fanontanian ny iraka avy any Babilona ny amin’ ny fifadian-kanina efatra atao ho fahatsiarovana ny naharesy an’ i Jerosalema tamin’ ny 586 tal. J.K. Ahitana teny faminaniana manoritsoritra izay ho endriky ny fiainana ao amin’ ny Jerosalema vaovao koa ity fizaràna ity.

Jereo koa hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Carol L. Meyers and Eric M. Meyers, Haggai, Zechariah 1–8: The Anchor Bible. Garden City, Doubleday and Company Inc., 1987. ISBN 978-0-385-14482-7. Page 183.