Mpamory hetra

(tonga teto avy amin'ny Poblikana)

Ny mpamory hetra na poblikana, tamin' ny fitondran' ny Rômana, dia mpandraharaha izay amin' ny ankapobeny olom-pirenena rômana nahazo fahefana amin' ny alalan' ny fifanekena tamin' ny manam-pahefana sivily mba haka hetra. Atao hoe publicanus) izy ireo amin' ny teny latina. Ny mpamory hetra dia nanangana fikambanana mitady tombony, izay nandray anjara teo amin' ny sehatry ny toe-karena sy ny hetra tany Rôma fahiny, araka ny fifanarahana natao tamin' ny fanjakana.