Pleiada (angano)
Ny Pleiada dia anarana iantsoana ny zanaka vavy fiton' ny titàna Atlasy sy ny Ôkeanisy Pleionê (Ὠκεανίς / Ôkeanís; Πληιόνη / Plêiónê). Antsoina amin' ny teny grika hoe Πλειάδες / Pleiádes izy ireo. Avy amin' ny anaran-drenin' izy ireo (Pleionê) no nahazoana io anarana iombonany io. Izao avy ny anaran' ny Pleiada tsirairay araka ny fizokiany:
- Maia (grika: Μαῖα / Maĩa);
- Alkiônê (grika: Ἁλκυόνη / Αlkuónē);
- Asterôpe (na Sterôpe) (grika: Στερόπη / Sterόpê na Ἀστερόπη / Asterόpê);
- Kelainô (grika: Κελαινό / Kelainó);
- Elektra (grika: Ἠλέκτρα / Êléktra);
- Taigete (grika: Ταϋγέτη / Taügétê);
- Merope (grika: Μερόπη / Μerόpê).
Amin'ny sehatry ny haikintana dia antokon-kintana koa ny anarana hoe Pleiada.