I Pierre l'Ermite, na Pierre d'Amiens na Pierre d'Achères, dia relijiozy frantsay tamin' ny taonjato faha-11, izay nitory ny kroazada taorian' ny fiantsoan' ny papa Orbano II ho ao amin' ny Kônsily tao Clermont ary izay niteraka ny iray amin' ny kroazadim-bahoaka tamin' ny taona 1096. Teraka tamin' ny taona 1050 teo ho eo izy tao Amiens, araka ny lovantsofina, ary mety maty tamin' ny taona 1115, tao Huy (Neufmoustier).

Sarivongan' i Pierre l'Hermite, nataon' i Gédéon de Forceville, Place Saint-Michel, Amiens

Nandositra ny fandripahana ny tafiky ny kroazada tao Civitot izy, nanatevin-daharana ny Kroazada voalohany, nanaraka izany tany Jerosalema, saingy nanjavona rehefa azo ilay tanàna.

Olon-tsambatra katôlika ankalazaina amin' ny 8 Jolay izy.