I Pierre Berthoud (teraka tamin' ny 1947), teratany soisa, dia mpampianatra Testamenta Taloha sy apôlôjetika ao amin' ny Faculté Libre de Théologie Réformée ao Aix-en-Provence. Izy koa no sojaben' ity fakiolte ity.

Nampianatra fiteny tranainy nanoratana ny Baiboly (fiteny hebreo, grika kôine, fiteny arameana) tao amin' ny Seminera Evanjelika tao Vaux-sur-Seine (1969-1971) izy. Tamin' ny taona 1971 ka hatramin' ny 1975, dia niara-niasa tamin' ny Dr. Francis A. Schaeffer, lehiben' ny foibem-pianarana, Abri Fellowship ao Huémoz (any Soisa) izy. Nandray anjara tamin' ny fandikana amin' ny teny frantsay boky maromaro nosoratan' i P. Schaeffer izy. Tamin' ny taona 1975 dia lasa mpampianatra ny Testamenta Taloha izy tao amin' ny seminera refôrme tao Aix-en-Provence (atao hoe Faculté Jean Calvin ankehitriny).

Indreto ny boky nosoratany:

  • (niarahany tamin' i Alain-Georges Martin et Antoine Schluchter), Islam et christianisme en dialogue paisible, Kerygma, coll. Étincelles, 2002
  • (Paul Wells, tale), Bible et sexualité, Excelsis - Kerygma, coll. Terre nouvelle, 2005, 160 p.
  • En quête des origines. Les premières étapes de l'histoire de la Révélation : Genèse 1 à 11, Aixcursus, Aix-en-Provence/Charols, Kerygma/Excelsis, 2008
  • (niarahany tamin' i Paul Wells, tale), Sacrifice et expiation, Excelsis - Kerygma, 2008, 200 p.
  • (niarahany tamin' i Paul Wells, tale), Origine, ordre et intelligence, Excelsis – Kerygma, coll. Aiguillages théologiques, 2010, 238 p.
  • (fandraisana anjara) Le Grand Dictionnaire de la Bible, Excelsis, 2010, 1808 p.