I Paoly avy any Tebesy na Masindahy Paoly Mpitoka-monina, araka an'i Hieronimo (na Jerôma) dia mpitoka-monina isan'ny malaza amin'ny fitokana-monin'ny monka (na moanina), manampy an'i Antonio Lehibe. Mety ny soratr'i Hieronimo no voalohany nahafantarana ny tantaram-piainany, nefa misy ihany ny fisalasalana ny amin'ny maha tena zava-misy ara-tantara izany. I Giacomo da Varazze[1], ao amin'ny boky Legenda aurea[2], dia nanokana toko manokana ho azy.

I Masindahy Paoly avy any Tebesy, sary nataon'i José de Ribera (1640).

Araka an'i Omer Englebert dia teraka tao Egipta Ambony tamin'ny taona 227 sy maty tao amin'ny tany efitr'i Tebesy tamin'ny taona 345 i Paoly Mpitoka-monina. Araka io boky Legenda aurea io dia nitoka-monina i Paoly avy any Tebesy nandritra ny 60 taona tao amin'ny lavabato mba tsy ho azon'ny fanenjehana ny Kristiana nataon'ny emperora Dekio. I Antonio Lehibe (na Antonio avy any Egipta), izay nahalala fa tsy izy no mpitoka-monina voalohany, dia nandeha hihaona aminy. Amin'ny fotoan'ny sakafo maraina dia nisy goaika nitondra mofo indroa mihinana ho an'ireo lehilahy roa ireo ka nanazava i Paoly fa sahala amin'izany no fomba fanomen'Andriamanitra sakafo azy isan'andro. Maty i Paoly fotoana fohy taorian'ny fiaingan'i Antonio ka nalevina tao amin'ny lavaka nohadin'ny liona ny vatany.

Boky azo anovozan-kevitraHanova

  • Hieronymus, Vita S. Pauli Monachi Thebaei, in Bazyli Degórski (ed.), Edizione critica della «Vita Sancti Pauli Primi Eremitae» di Girolamo, Institutum Patristicum "Augustinianum", Roma 1987.
  • Bazyli Degórski trad. ital.: Bazyli Degórski (ed.), San Girolamo. Vite degli eremiti: Paolo, Ilarione, Malco, [= Collana di Testi Patristici, 126], Città Nuova Editrice, Roma 1996.

Jereo koaHanova

Loharano sy fanamarihanaHanova

  1. Amin'ny teny frantsay: Jacques de Voragine; ami'nny teny latina: Jacobus de Voragine.
  2. Amin'ny teny frantsay: Légende dorée.