Paleô-ôrtôdôksia

(tonga teto avy amin'ny Paleo-ortodoksia)

Ny paleô-ôrtôdôksia dia firehana ara-teôlôjia prôtestanta tao Etazonia izay nipoitra tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-20 sy tamin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-21 sady miompana amin' ny fiekem-pinoana nifanarahana vokatr' ireo kônsily ekiomenika sy ny soratr' ireo Rain' ny Fiangonana (na Aban' ny Eglizy) talohan' ny fisaraham-bazan' ny Fiangonana (ôrtôdôksa sy katôlika tamin' ny taona 1054, ary katôlika sy prôtestanta tamin' ny taona 1517). Na dia ny finoana iraisana aza no iompanany dia atao hoe paleô-ôrtôdôksia io teôlôjia io mba hiavahany amin' ny neô-ôrtôdôksia izay firehana nisy akony lehibe teo amin' ny prôtestantisma tamin' ny tenantenan' ny taonjato faha-20.

Jereo koa hanova