Ny Opération Serval dia hetsika ara-tafika manokana nataon' ny tafika frantsay tany Maly. Natomboka tamin' ny Janoary 2013 sy natao tao anatin' ny fidirana an-tsehatra ara-miaramila tao Maly, nifarana tamin' ny Jolay 2014 izany rehefa natambatra anaty rafitra ao am!in' ilay faritra ny hery rehetra nandrayanjara tao, izany rafitra itambarana izany dia ny Opération Barkhane.

Mari-pamantarana ny Opération Serval

Ny Opération Serval dia nikendry ny hanohana ny miaramila maliana izay nikatsaka ny hanohitra ny fanafihana nataon' ny vondrona islamista mitam-piadiana maromaro izay nifehy an' i Azawad, izay faritra ao avaratra amin' ilay firenena. Ny tanjon' ity fidirana antsehara ity, araka ny nambaran'ny filoha frantsay François Hollande tamin' ny 15 Janoary 2013, dia ny hisakana ny fandrosoan' ny tafika jihadista mankany Bamako, hiarovana ny renivohitr' i Maly ary hanampy amin' ny famerenana ny tanin' ilay firenena manontolo.