Oniversiten' i Oxford

Ny Oniversiten' i Oxford, any Oxford, 90 km avaratra-andrefan' i London, ao amin' ny Kôntean' i Oxford na Oxfordshire, any amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Angletera, dia iray amin' ny oniversite malaza indrindra eran-tany. Izy io koa no oniversite britanika tranainy indrindra. Amin' ny teny anglisy izy dia atao hoe Oxford University.

Mari-pamantaran' ny Oniversiten' i Oxford

Nandritra ny ady nifanaovan' ny mpanjaka Henry II sy ny arseveka Thomas Becket, ady fahefana izay nipoaka tamin' ny taona 1164 sy nifarana tamin' ny famonoana an' i Becket tamin' ny faran' ny taona 1170, no nanorenana miandalana an' ilay oniversite. Taorian' ny taona 1165, ilay mpanjaka dia nanohy nanome fahafahana sy tombontsoa ho an' ity vondron-tsekoly mitoka-monina ao amin' ny Diosezin' i Lincoln ity. Ny tena fiandohan' ilay oniversite anefa dia tamin' ny taona 1167, rehefa nahatskkaritra an' ireo kilasy izay tsy nahafeno afan-tsy ny antsasany na dia teo aza ny fanohanana nomena, ka nandrara ny mpianatra anglisy tsy hianatra ao amin' ny Oniversiten' i Paris ary nampahatsiahy, tamin' ny fandrahonana fampiasan-kery miaramila, ny mpitondra fivavahana anglisy tany Paris na niparitaka manerana tany Frantsa sy tany Eorôpa.

Oxford

Ity oniversite ambony ity amin' izao fotoana izao dia mandray mpianatra 23 000, izay miparitaka amin' ny kôlejy 39 sy Permanent Private Halls 5 (fanorenana ara-pivavahana). Ny ankamaroan' izy ireo dia apetraka amin' ny tranobe antitra ao afovoan' ny tanànana tranain' i Oxford (jereo: Balliol College, Christ Church, Merton College, Magdalen College, University College). Ny endri-trano gotika indrindra no manjaka sy nahazoan' ilay tanàna ny anaram-bosotra hoe "Tanànan' ny Tilikambo manonofy", fa ny katedraly Christ Church (taonjato faha-12 hatramin' ny faha-15) sy ny fiangonana Saint-Peter-in-the-East (taonjao faha-12) kosa dia an' ny ankamaroan' ny maritrano rômana nôrmana. Ny lafy manatrika amin' ny Queen's College dia mampiseho ny klasikisma, ny tranoben' ny Somerville College dia mampiseho ny maritrano viktôriana, ny maritrano edoardiana sy ny fomban' endrika Queen Anne, ary misy ohatra amin' ny maritrano môdernista (ohatra ny St. Catherine's College).

Eo amin' ny Square Radcliffe no misy ny Radcliffe Camera (taona 1747), izay misy efitrano famakiam-boky ao amin' ny Bodleian Library, iray amin' ny tranomboky manankarena indrindra eran-tany. Ny Bodleia dia iray amin' ny tranomboky fanaovana fametrahana asasoratra ara-dalàna any amin' ny Fanjakana Mitambatra izay mahazo ny dika mitovy amin' ny boky rehetra navoaka any amin' io firenena io.

Ny Ashmolean Museum, naorina tamin' ny taona 1659, no tranombakoka tranainy indrindra any amin' ny Fanjakana Mitambatra; ny sampan-draharahana mikarakara ny vakoky ny fahagola dia mitahiry ny Tantaran' i Paros, ny ny saron-tavam-patin' i Olivier Cromwell, ary ny sombin-javatra nentin' i John sy Arthur Evans avy any Knossos. Ahitana ny sarin' i Raffaello Sanzio, i Michelangelo Buonarroti ary i Leonardo da Vinci ihany koa ny tranombakoka, sary hosodoko nataon' i Piero di Cosimo, John Constable, Claude Lorrain ary Pablo Picasso, ary akanjo arabo nanaovan' i Lawrence any Arabia.

Nanomboka tamin' ny taona 2017, ny Oniversiten' i Oxford dia nomen' ny Times Higher Education ny laharana ambony indrindra eran' izao tontolo izao, alohan' ny Oniversiten' i Cambridge, ny California Institute of Technology (Caltech), ny Onivdersiten' i Stanford, ny Massachusetts Institute of Technology (MIT) ary ny Oniversiten' i Harvard.