Okraina

(tonga teto avy amin'ny Okrainina)
Україна / Ukraïna ((uk))
((uk))
Okraina ((mg))
Sainan'ny Okraina evan' ny Okraina
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Воля, Злагода, Добро (Volja, Zlahoda, Dobro)
Ukrainien : Liberté, Accord, Bonté
Teny ofisialy Fiteny Okrainianina
Renivohitra Kiev [Kyïv]
50°28' N 30°29' E
Tanana ngeza indrindra Kiev
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
- Praiministra
fitondrana ara-piloha an-tapany
Volodymyr Zelensky
Denys Shmyhal
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 44
603 700 km²
Négligeable
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 26
45 994 287 mpo.
76 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Okrainianina
IDH (2006) increase 0,786 (moyen) faha 82[1]
Sandam-bola Hryvnia (UAH)
Faritr'ora UTC +2: (EET);

Heure d'été: UTC+3: (EEST)

Hiram-pirenena Šče ne vmerla Ukraïna
Fiteny okrainianina : Mbola tsy maty i Okraina
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+380

I Okraina dia firenena any Eorôpa Atsinanana, izy no firenena ngeza indrindra any Eorôpa eo aorian' i Rosia. Manana morontsiraka any atsimony eo amin' ny Ranomasina Mainty i Okraina. Mizara sisin-tany amin' i Rosia izy any atsinanana, amin' i Bielôrosia any avaratra ary amin' i Pôlônia, i Slôvakia, i Romania, i Hôngria, i Môldavia any andrefana.

Lemaka midadasika misy tany mainty lonaka ny ankabezan’ ny taniny. Any andrefana no manerinerina ny Tandavan-tendrombohitra Karpatiana. Any atsimo, ny Saikinosy Krimea izay manasaraka ny Ranomasina Mainty sy ny Ranomasin' i Azov. Ny renirano lehibe ao amin' io firenena io (Dniepr, Dniestr, Danube, Donets ary Bug Atsimo) dia mikoriana mianatsimo any amin' ny Ranomasina Mainty.

Saika ny ampahefatry ny mponina ao Okraina dia vahoaka vitsy an' isa: ny lehibe indrindra dia ny Rosiana (mihoatra ny 17%). Ny kristianisma ôrtôdôksa no fivavahan' ny maro an' isa any.

Raha nantsoina hoe "sompitry ny varimbazahan' ny Firaisana Sôvietika" i Okraina taloha dia niatrika olana ara-toekarena lehibe izy taorian' ny fahaleovan-tenany. Seha-pihariana manan-danja any ny fambolena. Manana harena an-kibon' ny tany (vy sy arintany ary manganezy) sy indostria matanjaka i Okraina. Ny fipoahan' ny toby nokleary Chernobyl na Tchernobyl tamin' ny taona 1986 dia nisy fiantraikany ratsy indrindra teo amin' ny mponina sy ny tontolo iainana.

Repoblika sôsialista sôvietika taloha tao amin' ny Firaisana Sôvietika i Okraina izay nahaleo tena nanomboka tamin' ny taona 1991. Mpikambana mpanorina ny Fikambanan' ny Fanjakana Mahaleo Tena izynefa niala rehefa tamin' ny taona 2018.

Jeôgrafia hanova

Ny velaran' i Okraina dia 603 700 km2, izay mahatonga azy io ho firenena faharoa lehibe indrindra any Eorôpa aorian' i Rosia.

Vohon' ny tany hanova

 
Sary maneho ny vohon' ny tanin' i Okraina

Ny ampahany be amin' ny tanin' i Okraina dia ahitana lemaka midadasika misy tany mainty (chernozem), tsy dia mikintoana (saika fisaka), izay latsaky ny 300 m eo ho eo ny haavony. Ny tapany andefana amin' i Okraina, izay eo amoron' i Dniepr, sady tondrahan' ny ony lehibe ao amin' io firenena io, dia manana vohon-tany miavaka kokoa noho ny fisian' ny lembalemban' i Podolia, eo anelanelan' i Dniestr sy i Bug Atsimo. Eo amin’ ny farany andrefan’ i Okraina no misy ny tandavan-tendrombohitra Karpatiana sy ny tendrombohitra avo indrindra amin’ io firenena io, dia ny Tendrombohitra Goverla (2 061 m), ary any avaratra-andrefana kosa no misy lempona be heniheny sy ala mikitroka, dia ny Henihenin' i Polesie.

Ny faritra atsinanana sy atsimo dia miavaka noho ny fisian' ny tambajotran-drenirano tsy dia makitroka. Ny faritra atsimo-atsinanan' ny Saikinosy Krimea dia misy tandavan-tendrombohitra miray zotra manana tampona miefy 1 545 m. Mirinerina eo amin' ny lemaka amorontsiraky ny Ranomasina Mainty izy ireo.

Rano sy toetrandro hanova

 
Ny renirano Dniepr mandalo ao Kiev

Ny ankamaroan' ny renirano lehibe ao Okraina dia mikoriana mianatsimo mankany amin' ny Ranomasina Mainty; anisan' izany i Dniepr any afovoan' i Okraina, i Bug Atsimo sy i Dniestr any andrefana, i Danube any amin' ny farany atsimo ary i Donets any atsinanana. Mikoriana mianavaratra i Bug Andrefana, izay sakeli-dranon' i Vistula (any Pôlônia) ary sakeli-dranon' ny Ranomasina Baltika.

Ny toetanin' i Okraina dia toetanin-tanibe mafana fa ny toetrandro amin' ny faritra atsimon' i Mediteranea kosa no manjaka any amin' ny faritra atsimon' i Krimea. Ny mari-pana amin' ny ririnina dia miovaova eo anelanelan' ny -8 °C sy 2 °C, raha eo anelanelan' ny 17 °C sy 25 °C ny mari-pana amin' ny fahavaratra. Mivaingana indraindray ny rano amorontsiraky ny Ranomasina Mainty rehefa ririnina.

Mihena avy any avaratra mianatsimo ny rotsak’ orana. Ao amin' ny Tandavan-tendrombohitra Karpatiana no be orana indrindra, mihoatra ny 1 500 mm isan-taona. Ambany kosa izany any amin' ny lemaka amorontsiraky ny Ranomasina Mainty, ka ny salany dia eo amin' ny 300 mm isan-taona.

Zavamaniry sy biby hanova

Ny zava-maniry voajanahary ao Okraina dia mizara telo araka ny haavon' ny toerana miohatra amin' ny ranomasina: ny faritra misy ala mifangaro ao amin' ny ampahatelony avaratra amin' ilay firenena; ny faritra misy ala-fatrana eo afovoany, ary ao ny faritra lemaka ao amin' ny ampahahatelo atsimo. Ankehitriny anefa dia efa nodiovina sy novolena ny ankamaroan’ ny tany.

Karazam-biby maro no hita any Okraina: ny serfa, kastôro, martra, ny voltora mainty eoraziana, ny voromahery ary ny vano volondavenona.

Harena an-kibon' ny tany sy tontolo iainana hanova

Ny tany mainty dia tena tombony ho an' ny fambolena okrainiana any amin' ny faritra voatondraka tsara indrindra ao amin' io firenena io, izay natokana ho an' ny fambolena voamadinika amin' ny tany midadasika, ka nahatonga an' i Okraina ho "sompitry ny varimbazaha" any Eorôpa Atsinanana. Any atsinanan' i Okraina ny lemaka eo anelanelan' i Dniepr sy ny Ranomasin' i Azov dia iharan' ny hain-tany indraindray ary mila fanondrahan-drano lehibe.

Any amin' ny ilany atsinanana indrindra no ahitana harena an-kibon' ny tany any Okraina. I Donbass dia misy vy sy arintany miharo tara ary antrasita. Any akaikiny, ao amin' ny faritra Nikopol dia ahitana ny iray amin' ireo tahiri-manganezy lehibe indrindra eran-tany. Misy ihany koa ny tahirin-titanina, baoksita, merkiora, siravato ary solifara. Efa lany amin' ny ampahany ankehitriny ny tahirin-tsolika sy etona ao Okraina. Tamin' ny taona 1960 dia nandray anjara tamin' ny ampahatelon' ny famokarana etona voajanahary tany amin' ny Firaisana Sôvietika i Okraina, fa ankehitriny kosa io firenena io dia tsy maintsy manafatra akoranafo.

Miatrika olana goavana amin' ny fahasimban' ny tontolo iainana i Okraina: niteraka fandripahana ala be loatra sy fandotoana ny tontolo iainana vokatry ny fampiasana zezika simika tafahoatra. Ny indostria lehibe dia nitarika fandotoana ny rivotra sy ny rano, fa indrindra ny loza lehibe nitranga tamin' ny taona 1986 tao amin' ny toby nokleary tao Chernobyl na Tchernobyl izay nisy voka-dratsiny tsy tambo isaina teo amin' ny mponina sy ny tontolo iainana ao amin' io firenena io.

Mponina sy kontsaina hanova

Ny mponina hanova

 
Sarintany maneho ny fitsinjaràn' ny mponina araka ny foko misy azy

Ny Okrainiana no mandrafitra ny 77,8 % amin' ny mponina (tombana tamin' ny taona 2004). Ny Rosiana no mandrafitra ny 17,3 % amin' ny mponina. Ny vahoaka vitsy anisa hafa dia ahitana ny Belarosiana (0,6 %), ny Moldava (0,5 %), ny Tatara Krimeana (0,5 %), ny Bolgara (0,4 %), ny Hôngroà (0,3 %), ny Romaniana (0,3  %) ary ny Pôlôney (0,3 %).

Faritra onenana sy tanàn-dehibe hanova

I Okraina dia ahitana faritany (oblast) miisa 24 izay mizara ho distrika, ahitana koa ny Repoblika Mizakatenan' i Krimea ary ahitana tanàna roa manana sata manokana, dia i Kyiv (na Kiev) sy i Sevastopol (na Sebastopol).

Tamin' ny taona 2005, ny 67,3 % ny mponina no mipetraka an-tanàn-dehibe. I Kiev renivohitra no tanàna lehibe indrindra ao amin' io firenena io izay tombanana ho misy mponina 2 618 000 ny mponina tamin' ny taona 2003. Ny tanàna manan-danja hafa dia i Kharkiv (nisy mponina 1 445 173), izay fihaonan' ny lalamby lehibe mampitohy an' i Rosia sy i Donbass; i Dnipropetrovsk (nisy mponina 1 040 000), izay tanàna misy taozava-baventy lehibe ao Okraina; i Donetsk (nisy mponina 991 310), foibe indostrialy goavam-be eo antsisin-tanin' i Donbass; i Odessa (nisy mponina 989 468), izay seranan-tsambo lehibe sy fanjonoana ao Okraina; i Lviv (na Lvov) (nisy mponina 727 061), izay foibe ara-kolontsaina sy ara-pifandraisana lehibe eo amin' ny sisin-tany manasaraka an' i Okraina sy i Pôlônia; i Mariupol (nisy mponina 492 000), izay seranan-tsambo manan-danja ho an' ny toby fanamboara sambo sy ho an' ny indostrian' ny fanodinana ny vokatry ny fambolena ho sakafo, ao amin' ny Ranomasin' i Azov.

Fiteny hanova

 
Sarintany maneho ny fitsinjaran' ny mpiteny amin' ny fiteny ao Okraina, araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2001

Ny fiteny ôfisialy ao Okraina dia ny fiteny okrainiana, izay fiteny slava manakaiky ny fiteny rosiana sy ny fiteny belarosiana. Ampiasaina ao koa ny fiteny rosiana izay fiteny fanofanana ireo olon-tsangany ao aimin' io firenena io.

Fivavahana hanova

 
Ny Katedraly Md Volodymyr ao Kiev.

Ny fivavahana ôrtôdôksa no fivavahan' ny ankamaroan' ny mponina ao Okraina, izay manaiky na ny fahefan' ny Patriarka ao Môskoa na ny an' ny Patriarka ao Kiev. Ny fiangonana oniata dia misy mpino miisa 5 tapitrisa fara-fahakeliny. Ny Hôngroà sy ny Pôlôney vitsy an' isa kosa, izay hita any andrefana amin' i Okraina, dia manaraka ny finoana katôlika rômana. Nisy Jiosy 500 000 teo ho eo tamin’ ny fiandohan’ ny taonjato faha-21 tany Okraina.

Toekarena hanova

Hatramin' ny nahazoany ny fahaleovan-tenany, i Okraina, toa ireo repoblika rehetra tao amin' ny Firaisana Sôvietika teo aloha, dia niaina fahasahiranana ara-toekarena lehibe. Teo amin' ny seha-pihariana rehetra eo amin' ny toekarena dia nahitana fihenan' ny famokarana, indrindra ny seha-pihariana faharoa. Imbetsaka i Okraina no tsy nahazo fanampiana avy amin'ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena sy tamin' ny ny Banky Iraisam-Pirenena. Tamin' ny taona 2003 dia 19,5 %n' ny mponina no miaina ambanin' ny tokonam-pahantrana.

Ny fambolena sy ny fiompiana hanova

Ny famokarana ara-pambolena dia nianjadian' ny fahasahiranana mafy noho ny vokatry ny fahaleovantena sy ny fahatapahan' ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-barotra tamin' ireo repoblika tao amin' ny Firaisana Sôvietika taloha. Nikorosy fahana ny fambolena. Ny famokarana voamadinika any Okraina dia nihena izaitsizy. Ny 57,6 % amin' ny tanin' i Okraina no voavoly ka mahatonga azy ho firenena manankarena amin' ny fambolena. Isan' ireo firenena mpamokatra ovy, betiravy siramamy ary vary orza i Okraina. Ny vokatra hafa dia ny varimbazaha, ny katsaka, ny sôja, ny legioma, ny tanamasoandro ary ny rongonimbazaha. Mamokatra divay sy voankazo koa ny any Krimea.

Mitana anjara toerana lehibe any Okraina koa ny fiompiana, indrindra ny fiompiana kisoa sy omby.

Fitrandrahana harena an-kibon' ny tany sy taozava-baventy hanova

Ny seha-pihariana faharoa dia sahanin' ny 24,2 % amin' ny mponina miasa any Okraina. Anisan' ny firenena mpamokatra betsaka manganezy, arintany, tsỳ ary vy eran-tany izy. Ny harena an-kibon' ny tany izay hita amin' ny tany midadasika ao Okraina no kitro ifaharan' ny taozavabaventy any aminy.

Ao Donbass, akaikin' ny toeram-pitrandrahana harena an-kibon' ny tany, no misy ny foiben' ny taozavabaventy any Okraina. Taloha dia namokatra ny ampahatelon' ny akora tsy, vy ary akora simika ho an' ny Firaisana Sôvietika i Okraina. Ankehitriny dia mamokatra milina mavesatra, vokatra simika, fitaovam-pitaterana (indrindra ny fiarakodia), lamba ary vokatra sakafo i Okraina.

Ny famokarana angovo dia mifototra amin' ny arintany sy ny angovo nokleary. Ny toekarena okrainiana dia miankina be amin' i Rosia sy i Torkmenistàna raha momba ny solitany sy ny etona voajanahary, izay betsaka ao amin' io firenena io. Ny tsy fahampian' ny angovo no nahatonga an' i Okraina mampiasa toby nokleary dimy, anisan' izany i Chernobyl na Tchernobyl.

Ny seha-pamokarana fahatelo

Toy ny taloha, mpizaha tany rosiana sy pôlôney maro no mandeha any Krimea mba hahazo fahafinaretana amin' ny fandroana amoron-dranomasina. Ao koa ireo mankany Kyiv (na Kiev), izay renivohitra manan-tantaran' ny fanjakana rosiana voalohany.

 
Lelavola 20 hryvnia ahitana ny sarin' i Ivan Franko.

Tamin' ny voalohany dia nampiasa vola vonjimaika atao hoe karbovanets, izay navoaka tamin' ny Nôvambra 1992 i Okraina, nasolo ny robla rosiana. Tamin' ny Septambra 1996, ny hryvnia, izay azo zaraina ho kopiyka 100, no naparitaka.

Ny firenena tena mpiara-miombon' antoka ara-barotra amin' i Okraina dia i Rosia, i Alemaina, i Torkia, i Torkmenistàna ary i Italia.

Tantara hanova

Fiavian' ny mponina hanova

Tamin' ny voalohany dia nonenan' ny Skitiana, avy eo ny Sarmatiana, i Okraina ka niharan' ny andiam-pananiham-bohitra nataon’ ny Barbariana talohan' ny fanorenam-ponenana tao ny Varangiana (na Varega) ary nanorina ny Fanjakan' i Kiev tamin' ny 822, dia i Kiev renivohitry ny Fanjakana Rosiana voalohany tamin' ny taonjato faha-11 sy faha-12.

Tamin' ny taonjato faha-13 dia nanafika ny faritra ny Môngôly, ka nahatonga ny faharavan' i Rosia Kieviana. Any andrefana, ny Fanjakan' i Galicia-Volhynia, naorina tamin' ny taona 1199, dia tsy dia niharan' ny fanafihan' ny Môngôly loatra raha mitaha amin’ ny faritra hafa, nefa lasa teo ambany fifehezan' i Pôlônia tamin' ny taonjato faha-14. Tamin’ izany fotoana izany ihany dia resin' i Litoania koa i Kiev sy ny faritra misy azy, nefa taty aoriana dia lasa fananan' ny Pôlôney. Tsy naharesy ny Kôsaka zapôrôziana mpiara-dia amin' i Rosia anefa i Pôlônia.

Ireo tany ao atsinanan’ i Dniepr dia nomena an’ i Rosia tamin’ ny taona 1667, araka ny fifanarahana natao tany Androussovo. Ny sisa amin' i Okraina, ankoatra an' i Galicia, izay nifamatotra tamin' ny Empira Aostrô-Hôngroà tamin' ny taona 1772 ka hatramin' ny taona 1919, dia nampidirin' ny Empira Rosiana taorian' ny fizaràna faharoa an' i Pôlônia tamin' ny taona 1793.

Fahaleovan-tena tamin' ny taona 1917 – 1921 hanova

Nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, taorian’ ny Revôlisiôna Bôlsevika tamin’ ny taona 1917, dia nanambara ny fahaleovan-tenany i Okraina, izay nanohizana ny fanindrahindram-pirenena (nasiônalisma) matanjaka. Nandritra izany fotoana izany, tany Galicia sy tany Bukovina ary tany Okraina karpatiana, ny Okrainiana teo ambany fitondran' i Aotrisy dia nanafaka ny tenany ary nanorina, tamin' ny taona 1918, ny repoblikany manokana tany Galicia Atsinanana; ka tsy ela akory dia nanatevin-daharana an' i Okraina rosiana mba hanangana federasiôna. Herintaona taty aoriana anefa, lasa prôtektôrata pôlôney i Galicia Atsinanana taorian' ny fihaonambe natao tany Paris.

Nambara tamin' ny Nôvambra 1917, ny Repoblika Okrainiana Mizakatena izay notarihin' i Simon Petliura avy any Kiev, dia niatrika, tamin' ny Desambra 1917, ny Repoblika Sôvietikan' i Okraina, izay notohanan' ny Bôlsevika, repoblika izay niorina tao Kharkiv (na Kharkov) ary notarihin' i Rakoski. Nofehezin' ny tafika alemàna hatramin' ny Desambra 1918 taorian' ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana Brest-Litovsk (Marsa 1918) i Okraina, nefa notarihin' ny governemantan' i Petliura indray, ka niatrika ady mahery vaika nipoitra hatramin' ny 1921 teo amin' ireo Tafika Fotsy avy any Wrangel sy Denikin izay nifanandrina tamin' ny Bôlsevika.

Tamin' ny taona 1920, ny governemanta nasiônalista dia niray tamin' i Pôlônia tamin' ny ady amin' i Rosia, saingy ny fandrosoan' ny tafika bôlsevika dia nahafahan' ny governemanta sôvietika hifehy an' i Okraina, izay nozaraina nandritra ny fifanarahana tao Riga (1921) tamin' i Pôlônia, notolorana an' i Galicia Atsinanana sy i Volhynia, ary i Rosia Sôvietika, izay notolorana ny Repoblika Federalin' i Okraina tamin' ny taona 1922.

I Okraina tao amin' ny Firaisana Sôvietika hanova

 
Sainan' ny Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Okraina

Hatramin' ny taona 1939, ny Firaisana Sôvietika dia nanao izay azony atao hanafoanana ny nasiônalisma okrainiana. Nijaly ilay repoblika noho ny famoriana an-tery ny fambolena sy ny fitakiana sakafo any ambanivohitra, izay nahatonga ny mosary nahatsiravina tamin' ny taona 1932 sy 1933.

Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, taorian' ny fandresen' ny Sôvietika an' i Pôlônia Atsinanana tamin' ny Septambra 1939, dia nakambana tamin' ny Repoblika Sôsialista Sôvietika Okrainiana i Galicia pôlôney. Rehefa nanafika an' i Okraina ny Alemàna tamin' ny taona 1941, ny nasiônalista okrainiana, izay nanantena fa hisy repoblika mizaka tena mety hipoitra eo ambany fiarovan' ny Nazi, dia nanohanana mafy ny fibodoana. Noraisin' ny Tafika Mena i Okraina tamin' ny taona 1944. Nampangaina ho “mpiray tsikombakomba” ny Okrainiana, ka niharan' ny famoretana mahatsiravina. Tamin’ io taona io ihany dia nakambana tamin’ izy io ireo faritra tao Bessarabia sy i Bukovina Avaratra, izay romaniana, toraka izany koa ny faritr’ i Ruthenia tamin’ ny taona 1945.

Lasa mpikambana feno ao amin' ny Firenena Mikambana ny Repoblika Sôsialista Sôvietika Okrainiana tamin' ny taona 1945, ho fampahatsiahivana ny fahaleovan-tenan' ilay firenena teo aloha. I Krimea, izay anisan' ny Repoblika Rosiana, dia nakambana tamin' i Okraina tamin' ny andron’ i Nikita Khrushchev tamin' ny taona 1954. Nanomboka tamin' io fotoana io ka hatramin' ny taona 1991, datin' ny fianjeran' ny kômonisma tao amin' ny Firaisana Sôvietika, dia nanaraka lalana mitovy amin' ny an' ny Firaisana Sôvietika ny tantaran' i Okraina.

I Okraina nahazo fahaleovan-tena indray hanova

Ireo fanavaozana voalohany hanova

 
Leonid Kuchma,
 
Leonid Kravchuk

Tamin' ny faran' ny taona 1991 dia nanambara ny fahaleovan-tenany i Okraina, izay neken' ny maherin' ny 90 %n' ny vato tamin' ny fitsapan-kevi-bahoaka. Nahazo fitondrana tamin’ ny alalan’ ny fifidianana filoham-pirenena i Leonid Kravchuk, mpitarika ny Antoko Kômonista Okrainiana teo aloha. Tamin' ny Desambra 1992, ny praiminisitra vaovao, Leonid Kuchma, dia nametraka fanavaozana ara-toekarena izay nifanandrify tamin' ny fiandohan' ny fahasahiranana ara-toekarena sy ny fiakaran' ny vidim-piainana.

Ny amin' i Krimea hanova

 
Sarintanin' ny Saikanosy Krimea

Tsy ela dia nipoitra ny fifanolanana teo amin' i Rosia sy i Okraina momba an' i Krimea. Fotoana fohy taorian' ny nahazoany ny fahaleovan-tena dia niforona tao Krimea ny fihetsiketseham-pisintahana notarihin' i Rosia. Nanambara ny fahaleovan-tenany mihitsy aza i Krimea, nefa nofoanana izany tamin’ ny Mey 1992. Tamin’ io volana io ihany anefa, ny mpanao lalàna rosiana dia nanambara ny maha foana ny famindràm-pahefana tamin’ ny 1954 izay nampiankina an’ i Krimea amin’ i Okraina.

Nanomboka tamin' ny taona 1991 i Okraina sy i Rosia dia samy nanambara ny fifehezany ny andian-tsambo ao amin’ ny Ranomasina Mainty, izay miorina ao amin' ny seranan-tsambon' i Sevastopol (na Sebastopol). Nisy fifanarahana tamin' ny taona 1992 izay nizara ny fibaikoana ireo sambo ireo hatramin' ny taona 1995, datin’ ny fizarazaràna teo amin' ny firenena roa tonta. Tamin' ny Janoary 1994 dia nanaiky ny hamindra ny ampahany amin' ny fitaovam-piadiana nokleary ao Okraina ho an' i Rosia ho takalon' ny fandoro nokleary ilaina amin’ ny famokarana angovo ny filoha Kravchuk.

Famatsiam-bola iraisam-pirenena hanova

Tamin’ ny Febroary 1994, mba hanampiana ny dingana fampihenana ny fitaovam-piadiana sy hisorohana ny firodanan’ ny toekaren’ i Okraina manontolo, dia nampanantena ny governemanta amerikana fa hampitombo avo roa heny ny fanampiana an’ i Okraina. Tamin' io volana io ihany dia nanaiky ny hanatevin-daharana ny fandaharan’ asa fiaraha-miombona antoka ho an' ny fandriam-pahalemana miaraka amin’ ny Fikambanan' ny Fifanarahana Atlantika Avaratra (frantsay: Organisation du traité de l'Atlantique Nord - OTAN) i Okraina, drafitra natao hampiroboroboana ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin' ireo mpikambana ao amin' ny OTAN sy ireo firenena tsy anisan' izany.

Tamin' ny volana Jolay tamin' io taona io ihany, ny praiminisitra teo aloha Leonid Kuchma no voafidy ho filoha tamin' ny 52 %n' ny vato. Amin' ny fifidianana mpanao lalàna, ny ankamaroany dia nankany amin' ny mpandala ny nentin-drazana ary ny kômonista teo aloha dia nahazo ny maro an' isa. Sarotra tamin' i Leonid Kuchma ny nanangana governemanta, saingy nanaiky ny fanavaozana ara-toekarena rehetra ny Antenimiera, ary ny Banky Iraisam-Pirenena dia manaiky fampindramam-bola maika mitentina 500 tapitrisa dôlara. Nanomboka teo dia mbola nijaly noho ny fahasahiranana tamin’ ny fanovan-jotra indray ny toekareny i Okraina: tsy voaloa ny karaman’ ny mpiasa, nihena ny famokarana, niakatra ny vidim-piainana na dia teo aza ny fampidirana vola vaovao (hryvnia) tamin’ ny taona 1996. Ny fanavaozana, indrindra fa teo amin’ ny famindram-pitantanana ny orinasam-panjakana amin’ ny  tsy miankina, dia nihena noho ny fifanoherana nisy teo amin' ny filoha Kuchma sy ny solombavam-bahoaka kômonista sy sôsialista izay nanamafy ny maro an' isa ao aminy tao amin' ny Antenimiera nandritra ny fifidianana solombavam-bahoaka tamin' ny volana Marsa 1998.

Fifandraisana amin' i Rosia hanova

Ny fiankinan-doha amin' i Rosia, izay toa iray amin' ireo kilema lehibe teo amin' ny toekarena okrainiana, dia nitarika ho amin’ ny fananganana ny Vaomieran' ny Fiaraha-miasa ara-Toekarena tamin’ ny tanona 1996. Nandritra izany fotoana izany dia nihatsara ny fifandraisana misy eo amin' ny firenena roa tonta, tamin' ny fanaovan-tsonia, tamin' ny May 1997, ny andiam-pifanarahana izay nahafahana nanao ny fizaràna ny sambo miaramila ao amin' ny Ranomasina Mainty sy ny fanofan' i Rosia ny ampahany amin' ny toby Sevastopol (na Sebastopol) mandritra ny roapolo taona. Natao ihany koa ny fifanarahana momba ny fisakaizana sy ny fiaraha-miasa, izay natao hanamaivana ny disadisa momba ny satan' i Krimea.

Izany fitoniana izany anefa mbola narefo ihany. Noho izany, i Okraina, izay naniry ny hahaleo tena bebe kokoa amin' i Rosia, dia nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa nokleary tamin' i Etazonia tamin' ny volana Marsa 1998, ho takalon' ny fandaozana ny fanampiana an' i Iràna amin' ny fananganana toby famokarana angovo nokleary. Nikatsaka ny hanamafisana ny fototra eorôpeana koa i Okraina, amin' ny fanaovana fifanarahana momba ny sisin-tany miaraka amin' i Pôlônia ary amin' ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin' ny OTAN nanomboka tamin' ny volana May 1997.

Toe-karena tsy marin-toerana amin' ny fomba fijery jeôpôlitika hanova

Firenena marefo vokatry ny fahasahiranana ara-toekarena, ara-pôlitika ary ata-tsôsialy, sady tsy afaka nisafidy hanaraka ny kapitalisma na ny kômonisma i Okraina tamin' ny fiandohan' ny taompolo 2000. Ny faniriana ny haha-mpikambana ao amin' ny Vondrona Eorôpeana, izay efa nisy fotoana nandinihana azy, dia tsy nisy resaka intsony, ary nitady fanohanana avy any ivelany i Okraina, avy amin’ i Etazonia sy i Rosia. Tamin' ny Desambra 2000 dia nakatona tanteraka ny toby famokarana herinaratra Chernobyl, araka ny fampanantenan’ i Okraina tamin' ny taona 1995, ho takalon' ny fanampiana ara-bola mihoatra ny 2 lavitrisa dôlara izay hahafahana manao fanorenana toby roa famokarana angovo.

 
Viktor Yushchenko

Voatendry ho praiminisitra i Viktor Yushchenko tamin' ny Desambra 1999, taorian' ny fahalanian’ i Leonid Kuchma indray ho filohan' ny Repoblika, ka nitarika fanavaozana ara-toekarena maromaro izay nahafahan' i Okraina nahita fitomboana ara-toekarena voalohany, tamin' ny taona 2000, hatramin' ny nahazoany indray ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1991 ary fitomboana tsy mbola nisy hatramin' izay teo amin’ ny famokarana avy amin’ ny taozava-baventy. Na dia nahazo ny fanohanan' ny Vondrona Eorôpeana aza i Viktor Yushchenko dia tsy maintsy niatrika ny fanoherana tsy nitsaha-nitombo nataon' ny kômonista sy ireo antoko afovoany akaikin' ny filoha Kuchma, nanohitra ny fanavaozana izay manohintohina ny tombontsoan' izy ireo. Tamin' ny fiafaran' ny fifanandrinana teo amin' ny filoha sy ny praiminisitra dia niongana tamin' ny alalan’ ny latsa-bato nataon' ny Antenimiera i Viktor Yushchenko tamin' ny 27 Avrily 2001, ka nampiditra ilay firenena tao anatin' ny fahasahiranana ara-pôlitika lehibe indrindra hatramin' ny nahazoany ny fahaleovan-tenany.

 
Georgiy Gongadze
 
Viktor Yanukovych

I Okraina dia tsy nanaja loatra ny zon' olombelona. Voaporofo izany tamin' ny fanjavonan' i Georgiy Gongadze izay talen' ny gazety mpanohitra an-tambajotra Internet, tamin' ny Septambra 2000. Nandritra ny fifidianana solom-bavam-bahoaka tamin' ny Marsa 2002, ny fiaraha-mitantana niforona manodidina ny praiminisitra teo aloha Viktor Yushchenko, izay nantsoina hoe Okrainantsika (okrainiana: Наша Україна / Nasha Ukraina), dia nahazo 23,6 % tamin' ny vato, teo alohan’ ny Antoko Kômonista, izay nahazo 20 %. Lasa piraiminisitra i Viktor Yanukovych.

Niatrika hetsi-panoherana tsy nitsaha-mitombo ny filoha Kuchma, nefa ny pôlitikan' ny raharaham-bahiny ao Okraina dia mbola nitsingevaheva teo amin’ ny faniriana hiaraka amin' ny Tandrefana andaniny (izany fiarahana izany dia mifototra amin' ny fanavaozana ara-toekarena sy ara-pôlitika hatrany) sy ny filàna fifandraisana tsara amin' i Rosia ankilany.

Tamin' ny Aogositra 2003 dia nandefa lehilahy miisa 1 600 tany Iràka i Okraina, ho anisan' ny tafika iraisam-pirenena teo ambany fitarihan' i Pôlônia. Tamin’ ny volana Desambra 2003 dia nanandrana nandamina ny fifandirana momba ny andilan-dranomasin' i Kerch sy momba ny Ranomasin' i Azov ny Rosiana sy ny Okrainiana, tamin' ny fanaovana sonia fifanarahana momba ny fitantanana ilay lakandrano. Tamin' ny volana Mey 2004, nanao sonia fifanarahana tamin' i Rosia sy i Belarosia ary i Kazakstàna i Okraina momba ny fananganana “sehatra ara-toekarena iombonana”.

Ny Revôlisiôna Volomboasary hanova

 
Ny Revôlisiôna Volomboasary tamin' ny taona 2004.

Ny fifidianana filoham-pirenena natao tamin' ny fararanon’ ny taona 2004 dia niteraka fahasahiranana ara-pôlitika lehibe, taorian' ny nanambaràna ho mpandresy tamin' ny fihodinana faharoa ny kandidàn' ny fitondrana, dia ny praiminisitra Viktor Yanukovych, na dia teo aza ny hetsi-panoheran' ny mpanohitra sy ny fanamarihan' ny mpanara-maso iraisam-pirenena — indrindra ny an' ny Fikambanana ho an' ny Fiarovana sy ny Fiaraha-Miasan' i Eorôpa (frantsay: Organisation pour la sécurité et la coopération en Europe - OSCE). Teraka ny hetsika nitondra ny anarana hoe "Revôlisiôna Volomboasary" (okrainiana: Помаранчева революція / Pomarancheva revoliutsiia), mampiseho am-pilaminana ny fanohanany ny kandidàn' ny antoko mpanohitra, Viktor Yushchenko. Noho ny fitokonana an’ arabe sy ny fanaren’ ny fianakaviambe iraisam-pirenena (notarihin’ ny Vondrona Eorôpeana sy i Etazonia), ary manohitra ny fiokoan' ny Rosiana mpifanolo-bodirindrina, dia nanambara ny Fitsarana Tampony fa tsy manan-kery ny latsa-bato noho ny halehiben' ny hosoka ary nanome baiko ny hanaovana fifidianana fihodinana faharoa vaovao. Ity krizy pôlitika goavana ity dia nanasongadina ny fahasamihafana misy eo amin' ny faritra andrefana amin' i Okraina mpomba ny Tandrefana, sy ny ilany atsinanana miteny rosiana sady mankasitraka an' i Viktor Yanukovych.

Nisy fifidianana vaovao natao tamin' ny Desambra 2004, izay nadresen’ i Viktor Yushchenko tamin' ny 52 % tamin' ny vato, raha 77 % kosa ny taham-pahavitrihana. Nandefa antso avo i Viktor Yanukovych, saingy nametra-pialana tamin' ny maha praiminisitra azy andro vitsivitsy taty aoriana, sady tsy nanaiky ny fahareseny. Ny filoha vaovao dia nikasa ny hampihatra pôplitika tsy mitovy amin’ ny teo alohany, voalohany indrindra amin’ izany ny ady amin’ ny kolikoly. Ilay lohan' ny "Revolisiona Volomboasary", Yulia Tymoshenko, dia voatendry ho praiminisitra.

 
Yulia Tymoshenko
 
Yuriy Yekhanurov

Ny governemanta okrainiana vaovao dia nanatanteraka ny fifindrana mankany amin' ny toekarena fehezin-tsena izay ilaina amin' ny fampidirana azy ao amin’ ny Vondrona Eorôpeana (ao anatin' izany ny famindrana ny orinasam-panjakana ho an’ ny tsy miankina) ary niezaka ny hanafaka ny firenena amin' ny fiahiana rosiana. Na izany aza, nanomboka tamin' ny lohataonan' ny taona 2005 dia nisy ny "Adin' ny Etona", nataon' i Rosia, nefa tena niankin-doha tamin' ny Rosiana i Okraina noho ny fanafarana angovo, ka izany dia nanaporofo fa sarotra ho an' i Okraina ny fanavaozana ny fifandraisany amin' i Rosia sy ny fitadiavany toerana eo amin’ ny sehatra iraisam-pirenena. Ankoatra izay dia niharatsy ny toe-draharaha ara-tsôsialy sy ara-toekarena sady nihamalemy haingana ny Revôlisiôna Volomboasary noho ny fisaratsarahana sy ny fifampiampangana kolikoly. Tamin' ny Septambra 2005 dia nandrava governemanta ny filoha Yushchenko ka notendrena ho praiminisitra ilay mpahay toekarena atao hoe Yuriy Yekhanurov, izay nankatoavin' ny Antenimiera taorian' ny fifanarahana tamin' ny mpanohitra, ary tonga dia nitsidika tany Rosia izy mba hampitony ny disadisam-pifandraisana eo amin' ny firenena roa tonta.

Nandritra ny fifidianana solom-bavam-bahoaka tamin' ny Marsa 2006 dia niaritra fahasahiranana lehibe ny filoha Yushchenko. Nahazo latsaky ny 14 % monja tamin' ny vato (izany hoe 81 amin' ny toerana 450 ao amin' ny Antenimiera) ny antoko Okrainantsika izay lasa laharana fahatelo aorian' ny Antokon' ny Faritra (okrainiana: Партія регіонів / Partija rehioniv) an’ i Viktor Yanukovych (32,1 %n’ ny vato sy toerana 186) sy ny Vondron' i Yulia Tymoshenko (okrainiana: Блок Юлії Тимошенко, БЮТ / Blok Yuliyi Tymoshenko, BYuT) (22,3 %n' ny vato sy toerana 129) - nahazo toerana 33 ny Sôsialista ary 21 kosa ny Kôminista. Naharitra volana maromaro ny fifampiraharahana sy ny famerenana ny firaisankina vao izay tanteraka ny fananganana ny governemanta iraisana eo amin' ny Antokon’ ny Faritra sy ny Sôsialista, tamin' ny volana Aogositra, governemanta izay notarihin' i Viktor Yanukovych, mpifanandrina aminy taloha. Noravan’ ny filoham-pirenena ny Antenimiera taorian' ny fifandonana teo amin' ny governemantan' ny maro anisa nandritra ny volana maromaro. Nandresy tamin’ ireo fifidianana vaovao tamin' ny Septambra 2007 ny Antokon’ ny Faritra, izay  teo alohan’ ny Vondron’ i Yulia Tymoshenko izay nanana ny maro anisa tamin' ny fiarahany amin' ny Okrainantsika. Voatendry ho praiminisitra i Yulia Tymoshenko.

Ireo ady tao Okraina hanova

Ny Euromaidan sy ny fahaleovan-tenan' i Krimea hanova

Tamin' ny taona 2010 dia lany ho filoha i Viktor Yanukovych izay mpomba ny Rosiana. Taorian' ny fandavan' ny governemanta ny hanao sonia fifanarahana fifampiraharahana amin' ny Vondrona Eorôpeana dia niteraka fionganan’ ny fitondrana ny fanamafisana ny hetsika Euromaidan. Vetivety dia nipoaka ny krizy teo amin' ireo faritany miteny rosiana, indrindra any amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Okraina izay nanohitra ny fahefana vaovao ao Kyiv.

Tamin' ny 11 Marsa 2014 dia nanambara ny fahaleovan-tenany i Krimea, ary taorian' ny fitsapan-kevi-bahoaka dia nakambana tamin' ny Federasion’ i Rosia izy tamin' ny 18 Marsa. Ity fitsapan-kevi-bahoaka ity sy ny fampidirana an’ i Krimea ao amin’ ny Federasionan’ i Rosia dia nomelohin' i Okraina sy ny ampahany be amin' ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Noho izany, tamin' ny 27 Marsa 2014, ny Fihaonamben’ ny Firenena Mikambana dia nandany ny Fehin-kevitra 68/262 momba ny tsy fanombinana amin’ ny tanin' i Okraina, ny ankamaroan' ny firenena manameloka ny fanakambanana an' i Krimea amin' i Rosia: firenena 100, anisan' izany i Etazonia sy ny ao amin’ ny Vondrona Eorôpeana.

Ady tao Donbass hanova

 
Sarintany maneho an' i Donbass, ao amin' ny tapany atsinanan' i Okraina (nolokoana mavo).

Nipoaka avy eo ny ady an-trano, izay fantatra amin’ ny anarana hoe "Ady tao Donbass", tany amin’ ny tapany atsinanan’ i Okraina izay maro miteny rosiana, ka nahafatesana olona maherin’ ny 10 000.

Lasibatry ny famelezana ny lamina internet i Okraina, famelezana izay natao hampihenana ny maha ara-dalàna ny fitondrana okrainiana sy hitsapana ny fitaovam-piadiana an-tserasera vaovao ary hanakorontana ny toekarena ihany koa. Izany famelezana izany dia afaka nanakatona toby nokleary sasany ary nanakana ny milina mpitsinjara vola tsy hiasa. Anisan' ireo fanafihana ireo ny fampiasana ny NotPetya (programa) izay voalaza fa nisy fiantraikany tamin' ny 70 % hatramin’ ny 80 %n' ny solosaina amin' ny orinasa lehibe. Rehefa nanambara ny valin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny 2014 ny fahitalavitra lehibe dia niharan' ny fanodinana amin’ ny tsy izy ny vaovao ka nanambara valim-pifidianana diso. Tamin' ny taona 2016, ny OSCE, izay fikambanana miantoka manokana ny fanaraha-maso ny fampitsaharana ny ady ao Okraina, dia lasibatry ny famelezana goavana nataon’ i Môsko.

 
Volodymyr Zelensky tamin' ny taopna 2019

Lany ho filoham-pirenen' i Okraina tamin' ny fifidianana natao tamin' ny taona 2019 i Volodymyr Zelensky. Tsy nanana afa-tsy toerana roa tao amin' ny Antenimiera anefa ny antokony atao hoe Mpanompon' ny Vahoaka (okrainiana: Слуга народу / Sluha Narodu) ka nofoanany izany Antenimiera izany mba hanaovany fifidianana indray hahazoany ny maro anisa izay azony tokoa (toerana 254 amin' ny 450).

Na dia nivadika ho fifandonana "malemy vaika" ny ady tao amin' ny faritr' i Donbass, hatramin' ny nanombohan' ny ady, dia olona efa ho iray tapitrisa sy sasany no nafindra toerana, ka ny 850 000 tao Okraina ihany, ny 600 000 tany ivelany (ka ny 350 000 nankany Rosia ary 250 000 nankany amin' ny firenena eorôpeana). Tamin' ny 21 Febroary 2022 dia nanaiky ny fahaleovan-tenan' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Donetsk sy ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Lugansk ny filoha rosiana Vladimir Putin ary nanome baiko ny miaramilany hifindra any amin' ireo faritra atsinana amin' i Okraina ireo (Donbass) amin' ny antsoin' ny Rosiana ho “iraka ho amin’ ny fandriam-pahalemana”.

Adin' i Rosia sy i Okraina hanova

Tamin' ny 24 Febroary 2022 dia nanjera baomba mandatsa-dranomaso sy balafomanga amin' ny tanàna okrainiana maromaro i Rosia, anisan' izany i Kyiv (na Kiev). Niditra ao amin' ny tanin' i Okraina ny tafika an-tanety rosiana.

Jereo koa hanova

Firenena ao Eorôpa

Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.

Kôntinenta eto an-tany

Tsiahy hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.