Fikambanan'ny mpampiasa sidina anabakabaka sivily iraisam-pirenena

(tonga teto avy amin'ny OACI)

Ny Fikambanan'ny Mpampiasa Sidina Anabakabaka Sivily Iraisam-pirenena (amin'ny teny frantsay Organisation de l'aviation civile internationale na OACI ; amin'ny teny anglisy International Civil Aviation Organization na ICAO) dia fikambanana iraisam-pirenen'ny Firenena Mikambana mifehy ny fifamoivoizana iraisam-pirenena amin'ny alalan'ny sidina anabakabaka anaty soson-drivotra (haavon-tsidina latsaky ny 100 km). Any Montréal ny foibeny.

Ny ICAO dia vao mainka mampiasa ireo fitsipika sy torolalana mifehy ny fifamoivoizana (amin'ny teny anglisy : Stantards and Recommended Practices na SARP), ny fizarazarana ny hatetik'onja, ny lisansy ny mpitondra fiaramanidina, sns. Izy io koa dia mamaritra ny protokoly fanadihadiana mikasika ny lozam-pifamoivoizana anabakabaka, protokoly izay hajain'ny firenena nanasonia ny fifanarahan'i Chicago.

Jereo koa hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.