Nosin' i Kiprôsy
Ilay Nosin' i Kiprôsy na Nosin' i Sipra na Nosin' i Kipra (Κύπρος amin' ny teny grika ; Kıbrıs amin' ny teny tiorka) dia nosy ao anatin' ny Mediteranea atsinanana, izy dia eo akaikin' ny Siria sy eo antsimo ny Anatôlia (any Torkia).
Mpikambana amin' ny Vondrona Eorôpeanina ilay silaka antsimon' ilay nosy. Misy mponina 1 300 000 no miaina ao. Ny Grika no tena betsaka indrindra ao anatin' i Kiprôsy iray mantolo, misy koa moa olona Britanika mipetraka ao anatin' ny tobim-pamaharana, ary ireo bazy miaramila ireo dia amban' ny fitondran' ny Nosy Britanika.
Ilay silaka avaratra dia efa nahazo fahaleovantena tamin' ny taona 1974. Tamin' io no nisy Kiprôsy anankiroa, ary voasaraka izy ireo amin' ilay "tsipika Attila".
- Misy ny Repoblika Kipriôta dia ilay repoblika tena fantatrin' ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Manana fipetrahan' ny UN izy ary mpikambanan' ny Vondrona Eorôpeanina. Tokony manjaka ao anatin' ilay nosy iray mantolo izy kanefa izy eo antsimo ihany no tena manana hasina
- Ilay faritra avaratra dia miteny hoe Repoblika Tiorkan' i Kiprosy (RTCN), izy dia ny Torkia ihany no mafantatra azy; ny mpòninany dia ny kipriôty avy any Torkia, sy ny Tiorka avy amin' ny fanjanatany tamin' ny taona 1974. Tamin' ny taona 2004, ny fikambanana ny kaonferansa islamika nanomeha an' ilay firenena ilay staty nà mpijery amban' ny Firenena Tiorka ny Kiprôsy. Ny Azerbaijana sy ny Pakistana ihany no mahita an' io firenena io otran' ny firenena.