Nikôpôlisy any Epirôsy

(tonga teto avy amin'ny Nikopolisy any Epirosy)

I Nikôpôlisy any Epirôsy na Nikôpôly any Epiro dia tanàna grika naorin' i Aogosto hanatsiarovana ny fandresen' ny tafika an-dranomasin' i Aktioma an' i Marka Antônio tamin' ny 02 Septambra 31 tal. J.K. izay miorina eo amin' ny vavan' ny Helodrano Ambrakika. Eo amin' ny andilan-tanin' ny saikanosy manasaraka ilay helodrano amin' ny Ranomasina Iôniana, eo amin' ny 6 km avaratry ny tanànan' i Prévéza ankehitriny. Nandroso dia nandroso i Nikôpôlisy nandritra ny vanimpotoana rômana sy tamin' ny faramparan' ny Andro Taloha, alohan' ny hlentehany tamin' ny vanimpotoana bizantina.

Atao hoe Νικόπολις / Nikópolis, io tanàna io amin' ny teny grika, ka izany teny izany dia midika hoe "tanànan' ny fandresena". Amin' ny teny latina izy dia atao hoe Actia Nicopolis na Nicopolis ad Actium.