Ny nikoda dia teboka tokana na maromaro (hatramin’ny telo) miampy (na tsia) tsipika kely mandry apetraka eo ambany na eo ambon'ny renisoratra hebreo tiana hasiana zanapeo. Tsy manana zana-tsoratra ny abidy hebreo. Taty aoriana, mba hahamora ny famakian-teny dia namorona ny nikoda ny manampahaizana jiosy. Natao hanehoana ireo zanapeo folo (dimy fohy sy dimy lava) izy ireo. Atao hoe נִיקוּד / nīqūd (נְקֻדּוֹת / nekuddōth raha milaza maro) izany amin'ny teny hebreo.

Inty misy ohatra: ny renisoratra lamed (ל) no ohatra hasiana zanapeo eto:

Fanoratana Famakiana Fanoratana Famakiana
לָ [laː] לַ [la]
לֵ [lɛː] לֶ [lɛ]
לִי [liː] לִ [li]
לוֹ sy  לֹ [lɔː] לָ [lɔ]
לוּ [luː] לֻ [lu]