Nablus
I Nablus dia tanàna any Palestina (Jôrdania Andrefana, izay nobodoin' ny tafika israeliana sy ny voanjo jiosy amin' ny ampahany).
Amin' ny teny arabo izy dia atao hoe نابلس / Nablus, fa amin' ny teny hebreo kosa dia שְׁכֶם / Shekhem na Sikhem. Amin' ny teny fratsay izy dia atao hoe Napelouse.
Izy no renivohitry ny Governoratan' i Nablus, ao anatin' ny fizaran-tany fehezin' ny Fahefana Palestiniana ankehitriny. Ny kaomininan' i Nablus dia nisy mponina manodidina ny 150 000 eo ho eo tamin' ny taona 2016. Ahitana toerana masina maro ho an' ny fivavahana samihafa, jiosy, samaritana, silamo ary kristianina izy.