Mpitolona ho an' ny Fandrosoan' i Madagasikara

Ny Mpitolona ho an' ny Fandrosoan' i Madagasikara na Mpitolona ho an' ny Fanjakan' ny Madinika (na MFM) dia antoko pôlitika malagasy izay naorin' i Manandafy Rakotonirina izay sady filohany. Niorina tamin' ny 27 Desambra 1972 ity antoko ity ka nanana tanjona ny hampijoro ny fahefan' ny mpiasa madinika. Tamin' izany fotoana izany dia mpanohitra ao elatra havia io anroko io, nanohitra ny fitondrana miaramila izay avy naka ny fahefana tamin' io taona io ihany. Nijanona ho mpanohitra nandritra ny fitondrana Ratsiraka izy ary anisan' ny hetsika nanery an' ity fitondrana ity hamotsotra ny fahefany tamin' ny taona 1991. Izy koa dia nanohana an' i Marc Ravalomanana hanohitra an-dRatsiraka tamin' ny fifidianana filoham-pirenena natao tamin' ny Desambra 2001 ary nanampy tamin' ny fandresen-dahatra azy tsy hanaiky ny vokatra ôfisialy voalohany, fa milaza ny tenany ho mpandresy.

Nivadika ho liberalisma ilay antoko ary niova anarana. Mpikambana mpanara-maso ao amin' ny fikambanana Liberal International izy taty aoriana, izay nandraisany anjara tamin' ny kôngresy natao tao Marrakesh tamin' ny taona 2006. Hatramin' ny fifidianana ny Antenimieram-pirenena tamin' ny 23 Septambra 2007 dia tsy nanana solontena tao amin' ny parlemanta intsony ilay antoko.

Jereo koa hanova