Ontsy tsy miavona no anarana nisalorako teo amin'ny sehatry ny kanto. Ontsy izay mifono hevitra roa :

- Ganagana dia, manana fahafahana intelo miantaona (3 dégré de liberté) dia manidina, milomano ary mamindra. Eo amin'ny fiainana dia tsy voafehin'ny toerana, na vanimpotoana.

- Akondro (karazana ranjalia), izay misy mandavantaona.

Tsy miavona moa dia tanjona apetraka eo amin'ny fiainana.

Efa nisy ihany anarambositra hafa nentina toy ny hoe fhaingo, kanefa dia masiaka loatra ka tsy sahiko nentina intsony.

Nandranto fianarana tamin'ny sekoly FJKM hatramin'ny CEPE,

SAFF Anosisoa Ambohimanarina hatramin'ny BEPC,

Lycée Jules Férry Faravohitra hatramin'ny Baccalauréat Série C

ary Ecole Supérieur Polytechnique Antananarivo Ivontovorona hatramin'ny Ingéniorat en Electronique.

Mbola nanaraka fandalinam-pinoana ihany koa tao amin'ny Faculté de Théologie Ambatonakanga.

Manoratra tononkalo, kabary, hainteny, hira (tonony sy feony).

...