Mpikambana:Jagwar/Fanoloran-tena

grrr...

Ny momba ahy? hanova

Izaho dia olom-pirenena Malagasy, 31 taona. Mpanoratra rindrankajy aho ary tiako be mihitsy ny mampiasa Python. Monina eto Paris aho, kilometatra an'arivony maromaro miala ny tanindrazana.

Firy taona no teto amin'i Wikipedia?

Tamin'ny taona 2005 no nahafantarako an'i Wikipedia voalohany ary nanoratra eto amin'i Wikipedia aho rehefa tafiditra an-tokantrano ny aterineto.

Firy ny teny fantatro?

Raha ny teôria dia enina, fa raha ny tena izy dia efatra.

Ny teny malagasy no teny nibeazako. Rehefa tany Madagasikara anefa dia nianatra tanaty sekoly miteny frantsay foana, dia nifindra monina ho teto Frantsa rehefa folo taona. Tsy nanoratra zavatra tena matotra na inona na inona teo anelanelan'ny taonako faha-10 hatramin'ny taonako faha-15. Rehefa 15 taona tokoa aho dia nahatsiaro fa tena lavitry ny afo ny kitay raha amin'ny lafin'ny fahaizana manoratra amin'ny teny malagasy. Nampihatsara ny fahaizako manoratra aho ka mba azo lazaina hoe sitrana ilay "aretina" amin'izao fotoana izao. Misaotra an'Andriamanitra.

Mahay teny frantsay tsara aho satria monina eto Frantsa, fa tsy mihevi-tena ho lehibe tamin'io teny io aho satria teny an-tsekoly ihany no tena nianarako an'io teny io. Mahay sady liana amin'ny teny anglisy ihany koa aho. Mampiasa teny anglisy isan'andro aho na amin'ny asa na amin'ny fihainoana ny vaovao eran'izao tontolo izao. Mahay teny espaniola ihany koa aho na dia tsy mitovy lenta amin'ny teny anglisy na frantsay aza.

Mahay teny esperanto kely aho satria namorona fiteny Kriollatino izay mitovitovy amin'ny teny italianina mifangaro esperanto novaina be dia be.[1]. Raha momba ny fahaizako teny sinoa sy japoney dia fahaizana tsotsotra ihany koa ka tsy mahavaky lahatsoratra sarotra be loatra.

Aiza koa no mety ahitanao ahy? hanova

Tsiahy hanova

  1. An Introduction to Kriollatino language