Mpanoritra milaza ampahany

Ny mpanoritra milaza ampahany dia karazana mpanoritra, izay indraindray heverina ho karazana mpanoritra tsy mamaritra, ampiasaina amin' ny anaran-javatra faobe toy ny hoe rano, mba hanondroana ny habetsahana tsy voafaritra. Tsy manana mpanoritra milaza ampahany ny fiteny malagasy. Ny mpanoritra milaza ampahany dia ampiasaina ao amin' ny fiteny frantsay (de, du, de la, des) sy amin' ny fiteny italiana (del, dello, della, dell', dei, degli, degl', delle) ankoatra ny mpanoritra mamaritra sy ny mpanoritra tsy mamaritra.

Ohatra:

Fiteny frantsay: Veux-tu du café ? ("Mitady kafe ve ianao?")

Ny fiteny haida dia manana karazana mpanoritra milaza ampahany (tovana -gyaa) ilazana "ampahany amin' ny zavatra iray na amin' ny zavatra iray na maromaro ao amin' ny vondrona na sokajy iray".

Ohatra:

Tluugyaa uu hal tlaahlaang ("Manamboatra sambo [iray] izy") (singa ao amin' ny sokajin' ny sambo).

Jereo koa hanova