Agha Muhammad Shah

(tonga teto avy amin'ny Mohammad Khan Qajar)

I Agha Muhammad Shah na Agha Muhammad Khan na Agha Mohammad Khan Qajar no mpanjakan' i Iràna avy amin' ny tarana-mpanjaka Kajara nanomboka tamin' ny taona 1789 ka hatramin' ny taona 1797. Atao amin' ny teny persana hoe آقا محمد خان قاجار / Âqâ Mohammad Khân-e Qâjâr izy. Teraka tamin' ny 14 Marsa 1742 tao Esterabad ary maty ny tamin' ny 17 Jona 1797 tao Shushi. Rehefa tonga teo amin' ny fitondrana izy dia nantsoina hoe Agha Mohammad Shah (persana: آقا محمد شاه / Âghâ Mohammad Šâh).

Agha Muhammad Khan

Lehiben' ny eonoka (na ionoka) tao amin' ny foko Kajara, ao avaratra amin' i Iràna, iray amin' ireo foko torkômana (na torkmena) ao Iràna. Tany am-boalohany izy dia lehiben' ny sampana Quwanlu ao amin' ny foko kajara, napetraka teo amin' ny seza fiandrianana ho mpanjakan' i Iràna tamin' ny taona 1789 izy, saingy tsy nosatrohana satroboninahitra tamin' ny fomba ôfisialy raha tsy tamin' ny Marsa 1796, rehefa avy nanongana ny shah farany farany an' ny tarana-mpanjaka Zanda. Nasainy novonoina ny shah farany an' ny tarana-mpanjaka Zanda (i Lotf Ali Khan) ary nopotseriny ny mason' io shah io tamin' ny nakany ny fitondrana.

Ny fitondran' i Agha Mohammad Khan dia voamariky ny fiverenan' i Irana tsy nisy fanapariaham-pitondrana sady tafaray ary tamin' ny famindràna ny renivohitra ho any Teheran izay mbola misy azy ankehitriny. Malaza ihany koa izy noho ny fitondran-tenany feno habibiana, indrindra nandritra ny famerenana indray an' i Jeôrjia ho eo ambany fahefan' i Iràna. Nataony fahirano ny renivohitra Tbilisi, naripany ny maro tamin' ny mponina tao, ary nobaboiny ka nentiny any Iràna ny Jeôrjiana miisa 15 000 teo ho eo.

Nisy namono i Agha Mohammad Khan Qajar tamin' ny 17 Jona 1797 ary nalevina tao Najaf. Izy, izay mpanjaka eonoka (na ionoka) novosirana fony izy tanora rehefa nosamborin' i Adel Shah Afshar, dia tsy nanan-janaka ka nandimby azy i Fath-Ali Shah Qajar, zana-drahalahiny.

Jereo koa hanova