Ny Midrasa halakà dia fomba fiasa fanaovana fivoasana na heviteny ampiasain'ny olon-kendrin'i Israely hanatsoahana lalàna azo ampiharina amin'ny fiainana andavanandro avy ao amin'ny Baiboly hebreo. Atao hoe Midrasa halakà koa, noho izany, ny fitambaran'ny lahatsoratra rehetra ahitana ny fampianarana manaraka izany fomba fiasa izany. Izany literatiora izany dia ahitana midrasa ampiasaina hanamarinana ny lalàna sy midrasa amoronana lalàna, izay azo amin'ny alalan'ny fampiharana ny foto-kevitra telo ambin'ny folon'i Rabbi Ishmael amin'ny lahatsoratry ny Baiboly.

Jereo koa hanova