Mesôamerika dia faritra manan-tantara sy faritra ara-kolontsaina any Amerika Avaratra. Manomboka amin'ny afovoan'i Meksika hatrany Belizy, Goatemala, Salvadôro, Hôndorasy, Nikaragoa ary avaratr'i Kôsta Rika. Tao anatin'ity faritra ity dia niroborobo ny fiarahamonina talohan'ny Kôlombiana nandritra ny 1 000 taona mahery talohan'ny fanjanahantany espaniôla tany Amerika.