Ny meivazy fia fivavahana mônôteista mampifangaro singa maro avy amin' ny fivavahana samihafa izay manana ny fobeny ao Tamil Nadu any India. Atao amin' ny teny tamily hoe மெய்வழி / Meyvaḻi, izay midika hoe "ny lalana marina" io fivavahana io. Mikatsaka ny hampiely ny tena tanjon' ny fivavahana isanisany nipoitra eto an-tany io fivavahana io, mitory ny maha iray ny fivavahana rehetra (isan' izany ny sivaisma, ny visnoisma, ny bodisma, ny zôrôastrisma, ny silamo, ny jodaisma, ny kristianisma sns) sady manambatra sarangam-poko miisa 69 ho ao amin' ny fianakaviambe iray. Ny tanjony dia ny fanazavana ara-panahy sy ny fandresena ny fahafatesana sy ny fanatratrarana ny paradisa, amin' ny alalan' ny fampianarana sy ny fitahiana avy amin' ny mpanorina sy mpitarika azy, dia i Meivazhi Salai Aandavargal, izay heverina ho fahatongavan' Andriamanitra ho nofo farany indrindra izay nandrasan' ny fivavahana rehetra. Mananana ny soratra masiny izy, izay voarakitra anaty boky lehibe efatra, sy lamim-bavaha atokana ho an' ny firavoravoana. Na dia teraka tao amin' ny fianakaviana miozolmana aza ny mpanorina azy dia naka hevitra maro tamin' ny hindoisma io mpanorina io. Afaka nanatanteraka ny fampikambanana sarangam-poko samihafa tsy anavahana finoana na volon-koditra na fivavahana izy, ny hany zavatra takiana mba ho mpianatry ny fivavahana meivazy dia ny finoana an' Andriamanitra. Tsy manana afa-tsy tempoly tokana eto an-tany ny meivazy, izay ao amin' ny Meivazhi Salai ao amin' ny distrikan' i Pudukkottai any Tamil Nadu, atao hoe Ponnaranga Devalayam. Ny fiteny ampiasaina amin' ny litorjia ôfisialy dia ny fiteny tamily. Voarara ny fifohana paraky, ny fisotroana toaka, ny filalaovana loka, ny halatra, ary mihinana zavamaniry fa tsy hena.

I Meivazhi Salai Aandavargal

Jereo koa hanova