I Matsiatra dia reniranon' i Madagasikara, mikoriana mankany andrefana ka manompo ny ony Mangoky, manana halava 410 km, mamakivaky ny faritra Matsiatra Ambony sy ny faritra Amoron' i Mania ary ny faritra Atsimo-Andrefana, mihaona amin' i Mananatana mba hamorona an' i Mangoky. Manondraka tanimbary midadasika i Matsiatra, ka anisan' izany i Vinanitelo sy i Mahasoabe ao amin' ny faritry ny Betsileo. Izy no manasaraka ny distrikan' i Lalangina amin' ny distrikan' i Vohibato, ary ny faritra Matsiatra Ambony amin' ny faritra Atsimo-Andrefana. Manompo an' i Matsiatra ireto renirano tanisaina manaraka iretoː Mandranofotsy, Isandra, Ioninarivo, Fanindrona, Vodindrana, Mahatsaombato, Imatantika, Manambaroa, Manatsahala ary Bevoay.

Ny renirano Matsiatra eo Befeta

Jereo koa

hanova