I Zimry dia iray amin' ireo mpitari-tafiky ny mpanjaka israelita atao hoe Ela izay zanaky ny mpanjaka Baasa. Nanararaotra ny hamamoan' i Ela izy ka namono azy tao Tirza (na Tirtsa) izay nonenan' ny mpanjaka Ela. Novonoin' i Zimry koa ny lehilahy rehetra tamin' ny fianakavian' i Baasa. Araka ny Baiboly dia fitaovana nanehoan' i Iahveh ny hatezerany amin' ny fahotan' ny fianakavian' i Baasa i Zimry. Araka ny Boky voalohan' ny Mpanjaka (1Mpanj. 16.10-15) dia tsy nanjaka afa-tsy fito andro i Zimry satria namono tena tamin' ny alalan' ny fandoroany ny efitra misy azy ao amin' ny lapan' ny mpanjaka ka maty tao noho ny fatahorany ny fikomian' ny vahoaka izay nanao fahirano azy.

Tsy nanan-janaka handova azy eo amin' ny fanjakana izy ka i Ômry mpitari-tafiny no nandimby azy rehefa avy nampamono an' i Tibny zanak' i Ginata izay niady ny seza fiandriana taminy.

Ny anarany hanova

Atao hoe זִמְרִי / Zimrī izy amin'ny teny hebreo fa Zambri amin'ny teny latina.

Jereo koa hanova

Mpanjakan' i Israely

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Jerôbôama I - Nadaba - Baasa (na Basa) - Ela - Zimry - Ômry - Ahaba (na Akaba) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Jôrama - Jeho - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôasy (na Jôasa) - Jerôbôama II - Zakaria - Saloma - Menahema - Pekahia (na Faseia) - Peka (na Fasea) - Hôsea (na Ôsea).