Worms (Alemaina)
Velarantany 108,73 km2
Isam-ponina 84 646 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna Adolf Kessel
Firenena  Alemaina
Faritany NC
Faritra NC

I Worms dia tanàna ao amin' ny fanjakan' i  Rheinland-Pfalz,, any Alemaina, any amin' ny tapany ambony amin' ny ony Rhine, 60 km atsimo-atsimo-andrefan' ny tanànan' i Franckfort/Main. Nisy mponina 84.646 teo ho eo izy tamin' ny taona 2015.

Ny Tetezan' ny Nibelungen, eo ambonin' ny ony Rhin

Efa nioriona talohan' ny andron' ny Rômana i Worms izay iray amin' ny tanàna tranainy indrindra any Eorôpa Avaratra. Renivohitry ny Fanjakan' ny Borgondiana izy io tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-5, noho izany toerana nisy ny zavatra lazaina amin' ny angano tamin' ny Andro Antenatenany miresaka an' io vanim-potoana io, indrindra fa ny ampahany voalohany amin' ny Nibelungenlied (tononkalo mitantara ny olo-malaza sy ny fiforonan' i Alemaina).

I Worms dia episkôpata katôlika rômana nanomboka tamin' ny taona 614 fara fahatarany, ary palatinata manan-danja ho an' i Charlemagne. Ny Katedralin' i Worms dia iray amin' ny katedraly imperialy ary anisan' ny ohatra tsara indrindra amin' ny maritrano rômaneska any Alemaina. Niroborobo i Worms tamin' ny Andro Antenatenany Ambony tamin' ny maha-tanàna imperialy afaka azy. Amin' ny fivorina nampanaovin' ny emperora maherin’ ny zato natao tao Worms, ny Fivoriana tao Worms (alemana: Reichstag zu Worms) tamin' ny taona 1521 dia nifarana tamin’ ny ffivoahan' ny Didin' ny Worms, izay nanambarana an’ i Martin Lotera ho heretika (mpampianatra finoan-diso). Iray amin' ny "tanàna ShUM" (fanafohezana ny hoe Shpira sy Varmaisa ary Magentza izay anarana hebreon' i Speyer sy i Worms ary Mainz) manan-tantara ihany koa i Worms ary anisan' ny Lova Iraisam-pirenen' i UNESCO ny toerana nisy Jiosy ao aminy.

Ankehitriny dia foibe indostrialy ilay tanàna ary malaza ho niandohan' ny divay Liebfraumilch. Ny indostria hafa ao aminy dia ahitana simia, entana vita amin' ny metaly ary ny vilona.

Jereo koa hanova

Tanàna any Alemaina sy Eorôpa Atsinanana manan-tantara tamin' ny andron' i Martin Lotera: